Tsena Pavillon Analakely: nisy ny fanavaozana nataon’ ireo mpivarotra

0

Nandoko sy nanao fanatsarana ny pavillon ireo mpivarotra tombon-tsena tetsy Analakely androany. Anton’ny hetsika ny firaisankiana sy fanehoana manoloan ny resa-be mikasika ny ny fanisana ireo tsena misy ny mpivarotra. Nanamafy ankilany ny ben’ny Tanàna fa mbola ny kaominina hatrany no mitantana ireo tsena eto Antananarivo ary miara miasa amin’ny orinasa tsy miankina ny kaominina amin’ny fanisana tsena faobe.