Tsy fisian’ny fotoam-pivavahana mandritra ny fianianana : fanajana ny lalàmpanorenana

0

Taratry ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny maha tany repoblikana an’i Madagasikara ny tsy fisian’ny fotoam-pivavahana mandritra ny fanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana ny sabotsy ho avy izao. Tsy tokony afangaro ny seha-pinoanana sy ny raharaha politika raha ny fanazavan’ireo mpandinika fiaraha-monina.