Tsy maty manota

0

Ady amin’ny tsy maty manota : mila atao 100 % ny famoahana ny « Autorisation de poursuite »

Vitsy ny minisitra manana fahasahiana manao sonia Autorisation de poursuite na fahafahana manenjika ireo tomponandraiki-panjakana ambony eny anivon’ny minisitera tsirairay. Isany manamafy ny fisian’ny tsy maty manota eto amin’ny firenena ny momba izay hoy ny filohan’ny CSI na ny Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité androany nandritra ny dinika niresahana momba ny fisitrahana ny fiarovana manokana na ny Immunité sy ny resaka tsy maty manota. Ny famoahana ny Autorisation de poursuite izay tokony ho 100 % raha misy ny fahavononana hampihatra izay Tolérance Zero izay amin’ny ady amin’ny kolikoly.