Vehivavy Malagasy Miara-Miainga : tsy nanadino ny mpiara-belona amin’izao fety izao

0

Fotoanan’ny fanaovana asa soa ny vaninandro fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena toy izao ka tsy nanadino ny mpiara-belona ny fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga. Nanolotra fanomezana ho an’ny ankizy, raiamandreny ary vahoaka sahirana tao amin’ny fokontany Ampahimanga kaominina Ambohimanambola izy ireo tamin’ity androany ity.