Vehivavy manana fahasembanana : toy ny vehivavy rehetra

0

Manana ny fahafahana toy ny vehivavy rehetra ireo vehivavy manana fahasembanana. Isan’izany ny fiterahana sy ny adidy amin’ny fitaizana. Izay no namafisin’ny filohan’ny tambazotran’ny vehivavy manana fahasembanana androany nandritra ny fanamarihan’izy ireo ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy.