Vidim-bary : nahitana fiakarana hatramin’ny 50 Ariary

0

Tsy nitsaha-niakatra ny vidim-bary eny an-tsena tao anatin’ny herinandro maro izay. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fampiakaram-bidy hoy ny mpaninjara nanaovana fanadihadiana. Mavesatra ny fiantraikan’izany amin’ny mpanjifa izay mangataka ny fanamafisana ny fanaraha-maso.