Village Voara : mihoatry ny 120 ireo tonga nanao fitiliana tao anatin’ny 03 andro

0

Mihoatry ny 120 ireo olona tonga nanao fitiliana teny amin’ny CTC Village Voara tao anatin’ny 03 andro. Midika izany fa mbola ao anatin’ny fiparitahan’ny COVID 19 isika amin’izao fotoana ary tsy miankina amin’ny toetr’andro ny otrik’aretina hoy ny mpitsabo. Araka izany, tsy marina raha ny fanazavana ilay hoe tsy tian’ny Coronavirus ny andro mafana.