Voka-panadinana BEPC : CISCO miisa 21 no efa nivaly

0

Cisco miisa 21 no efa namoaka ny voka-panadinana BEPC hatreto manerana an’I Madagasikara. Mbola miandry ny naoty taranja ara-panatanjahantena kosa ny fivoahan’ny vokatra ho an’ny cisco eto amin’ny faritra Analamanga. Amin’ny ankapobeny, saika nahitam-piakarana avokoa ny taham-pahafana tamin’ity taona ity ho an’ireo efa nivaly.