Volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana : miseho sahady ny fanakianana

0

Efa manomboka sahady ny fanakianan’ny maro ireo rijan-tenin’ny volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana norafetin’ny governemanta 24 ora monja taorian’ny namoahan’ny governemanta izany. Ohatra amin’izany ny fitsabahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny fampielezan-kevitra amin’ny fahitalavitra  sy onjampeo tsy miankina.