Vondrona Eropeana : nandray anjara feno tamin’ny fanarenana ireo fotodrafitr’asa simba

0

Niteraka fahasimbana sy fahapotehana maro teto Madagasikara, indrindra ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’i Madagasikara ny fandalovan’ilay andro ratsy farany teo. Nanetsika dispositif d’urgence ho an’ny asa fanarenana ny Vondrona Eropeana izay miara-miasa akaiky amin’ny ministera tomponandraikitra.