Vontovorona : tsena sy trano fonenana maro no niharan’ny fahasimbana sy fandrobana omaly

0

Toeram-pivarotana sy toeram-ponena maro eny Vontovorona no niharan’ny fandrobana sy fahapotehana nandritra ny fihetsiketsehana notanterahin’ireo mpianatry ny polytechnique Vontovorona omaly alina. Velon-taraina ireo mponina manoloana ny herisetra sy ny fahasimbana aterak’ireo mpianatra manao fihetsiketsehana.