Vovoka manify : mihoatra avo 3 heny amin’ny tokony ho izy ny eto Andrenivohitra

0

Mihoatra avo 3 heny amin’ny fetra farany azo leferina ny fahalotoan’ny tontolo iainana ateraky ny vovoka manify avy amin’ny fampiasana motera eto Andrenivohitra raha toa ka hatramin’ny 50 microgramme isaky ny metatra toratelo ny fenitra napetraky ny OMS. Mirongatra vokatr’io ny aretin’ny fitaovam- pisefoana ankehitriny .