ZES : ataon’ny governemanta amboletra ny fandaniana azy, fa nisy inona ?

0

Na dia efa namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenena didy ho fanitsiana ny andalana sasany sy efa notsipahin’ny Solombavambahoaka aza ilay lalàna momba ny ZES na ny « Zone Economique Spéciale » dia mbola hanaovan’ny governemanta amboletra hampandalovina ho laniana eny amin’ny Antenimierampirenena hatrany. Fa inona no anton’izany, hoy ny mpanara-baovao maro ?