Zone de recasement : tandindomin-doza ny mponina eny an-toerana.

0

Tandindomin-doza ireo mponina eny Ankorondrano sy ny ao amin’ny fokontany Ambohibary Antanimena noho ny fanotofana tsy ara-dalàna. Tsy maintsy ho traboina izahay rehefa avy ny rotsak’orana hoy ireo mponina mitaraina. Ny eo anivon’ny kaominina sy ny Apipa tsy mbola nisy nidina teny an-toerana na dia efa nanaterana fitarainana aza.