Zotra D : ny Alatsinainy 29 Oktobra no hihatra ny fampiakarana saran-dalana

0

Ny alatsinainy faha 29 ny volana Oktobra ho avy izao no hihatra ny fampiakarana saran-dalana ao amin’ny Zotra D mampitohy an’i Ivato sy Antananarivo ary Antananarivo sy Alakamisy Ambohidratrimo. Manova zavatra eo amin’ny fitantanana ao an-tokatrano izany hoy ireo ray aman-dreny ary tokony hisy fitsinjovana ny vahoaka madinika.