Zotra Tanà-Mahajanga – fiakaran’ny saran-dalana: milaza ho tsy mahafantatra ny tomponandraikitra

0

Tafakatra hatramin’ny 40 000 Ar ny saran-dalana ho an’ny zotram-pitaterana Antananarivo- Mahajanga amin’izao fotoana izao raha tokony tsy hihoatry ny 30 000 Ar izany araka ny voasoratra ao amin’ny bokinandraikitra na ny cahier de charge eny anivon’ny ATT. Milaza ho tsy mahafantatra ny zava-misy anefa ny tomponandraikitra rehefa nanontaniana.