vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 9 octobre 2020

TanambaoV -Toamasina : olona 1 maty nandritran’ny lozam-pivamohivoizana

0
Vehivavy 1 no maty ary miisa 8 ireo naratra mafy, nandritra ny lozam-pivamoivona niseho manoloana ny gare routière Tanambao 5, Toamasina androany. Raha ny fanadihadiana tany an-toerana, fiara nandeha mafy nentina mpamily nisotro toaka no niteraka ity lozam-pivamohivozana ity.

FHORM : “ ilaina ny fivondronan’ny mpisehatra ahitana vahaolana maharitra “

0
Ilain’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny trano fandraisam-bahiny, trano fisakafoanana sy trano fisotroana ny mivondrona ahafahan’izy ireo mivondrona amin’ny firesahana amin’ny fitondram-panjakana. Indrindra ao anatin’izao fotoana entina manarina ny seha-piharian’izy ireo izao. Izay raha ny fanazavan’ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny FHORM androany.

PNDU : entina hampandrosoana ny tanàn-dehibe

0
2 miliara dolara eo no ilaina ho an’ny programme miompana amin’ny fampivoarana ny tanàn-dehibe eto Madagasikara, ny PNDU na ny Politique Nationale de Développement Urbain, izay tontosaina mandritra ny 10 taona. Ilaina raha ny fanazavana ny fampiharana ity programme ity ho an’ny fampandrosoana. Hisy manoloana io ny hetsika fampahafantarana izany.

Lalana : hatao avo 02 heny ny vola homena ireo governora manao tsara ny asany

0
Hatao avo 02 heny ny vola homena ireo governoran’ny faritra amin’ny fanamboarana lalana raha manao tsara ny asany, hoy ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, nandritra ny fitsidihana ny fanamboarana ny lalana Pavé tao Faradofay. Fifaninana no atao ary tokana ihany ny tanjona dia ny hampandroso an’i Madagasikara araka ny efa nampanantenainy.

Barea de Madagascar : miatrika fampivondronana any Luxembourg

0
Nanomboka omaly ny fampivondronana ho an’ny ekipan’i Barea de Madagascar any Luxembourg hanomanana ny lalao fihaonana amin’ny Cote d’Ivoire. Mpilalao miisa dimy vaovao izay vao nantsoin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis no hosedraina ao anatin’izany.