vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 octobre 2020

Manarintsoa : mbola tsy tomombana ny toerana handraisana ireo traboina

0
Roa andro aorian’ny fahamaizana, mbola tsy tomombana ny toerana handraisana ireo taboina ao Manarintsoa Atsinanana. Tsy ampy ny trano lay, tsy mbola misy trano fivoahana sy trano fidiovana ao an-toerana. Tsy ampy ihany koa ireo kojakoja homena ireo traboina noho ny tsy fisian’izany eo anivon’ny BNGRC hoy ny eo anivon’ny Fokontany.  

Kardinaly TSARAHAZANA : tsy marina ny vaovao aely momba ny tenin’i Pape François

0
Tsy marina ny vaovao aely momba ny tenin’i Pape François izay milaza fa mankato ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy hoy ny Kardinaly TSARAHAZANA Désiré nandritra ny fanambarana nataony. Manentana ny tsirairay, indrindra ny mpino katolika araka izany ny Kardinaly samy hanamafy ny finoany manoloana ny fampielezana vaovao tsy marina tahaka izany.

Vidina vy : nahitana fihakarany 30 hatraminy 40 %

0
 Nahitana fihakarany 30 haramin’ny 40% ny vidin’ny Vy amin’izao raha ny fanazavan’ireo mpanambotra fitaovana vita amin’ny vy, ka voatery mampiakatra vidin’entana izy ireo.   Tsy mbola miverina  toy ny  teo aloha ihany koa ireo mpanjifa raha ny fanazavana.

Fifidianana Loholona : 2432 ny mpividy eto Antananarivo araka ny lisitra vonjimaika

0
Manomboka amin’ity herinandro ity no mahazo manamarina ny anarany anaty lisi-pifidianana vonjimaika ny mpifidy vaventy handatsa-bato mandritra ny fifidianana Loholon’i Madagasikara. Ho an’ny faritanin’Antananarivo, 2432 ny mpifidy vaventy voasoratra anatin’ny lisitra vonjimaika hatreto. Na azo lazaina ho efa milamina aza ny lisitra ho an’Antananarivo, tokony hiroso amin’ny fanamarinana ny anarany eny anivon’ny distrika hatrany ireo mpividy vaventy.

Antoko MMM : nihaona tamin’ireo olom-boafidy ao anatin’ny Atsimondrano

0
Androany no nihaona tamin’ireo olom-boafidy ao anatin’ny distrikan’tsimondrano ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Miara-Miainga notronin’ireo kandidà ho loholona avy amin’ity antoko ity. Niompana tamin’ny antony nahatonga azy ireo nirotsaka ho kandidà ho loholona ny fotoana androany ary nentina nanazavana ny tanjona tian’ny antoko apetraka.

Sekolim-panjakana : nanomboka androany ny taom-pianarana 2020-2021

0
Niditra androany faha 26 ny volana octobra ireo mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny nosy. Nanolotra fitaovam-pianarana ny fitondram-panjakana ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny.  

Faritra Analamanga : mahavoasazy ny tsy fanaovana aro vava orona

0
Misokajy maromaro ireo sazy miatra amin’ireo minia tsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana entina misoroka ny fipariahan’ny valanaretina Covid- 19, taorian’ny didim-pitondrana navoakan’ny prefektioran’Antananarivo mikasika ny  tsy maintsy fanaovana aro vava orona eto amin’ny faritra Analamanga.