Accueil 2020 octobre

Archives mensuelles: octobre 2020

Barea de Madagascar : nivoaka ny anaran’ireo mpilalao 25

0
Nivoaka androany ireo mpilalao voahantson’ny mpanazatra Nicolas Dupuis handrafitra ny Barea an’i Madagasikara mandritra ny lalao ihaonana amin’ny ekipan’i Cote d’Ivoire. Misy ireo mpilalao vavao izay sambany nantsoina handrafitra ny Barea ao anatin’ireo mpilalao.

Antrema – Ambanja : mitrandraka « concombres de mer » tsy ara-dalàna ireo Sinoa

0
Velon-taraina ireo mponina ao amin’ny faritra ny Antrema sy Andrekareka ny Distrikan’Ambanja amin’ny fisihan’ireo sinoa mitrandraka dingandingana na « cocombre de mer » tsy ara-dalana. Tsy mbola nahazo alalana hanao izany izy ireo saingy manao amboletra manohy ny asa ataony hoy ireo mponina ao an-toerana. Samy tsy mahafantatra sy anto-mpisian’izy ireo, na ny Kaominina, na ny fokontany ao an-toerana.

Orinasa Jirama : miroso amin’ny fanarenana anatin’ny « Jirama Innove »

0
Miroso amin’ny fanarenana ny orinasa Jirama ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ao anatin’ny tetikasa « jirama innove ». Teboka maro no hotanterahana amin’izany hamaliana ny filan’ny mpanjifa sy ahafahan’ity orinasa ity mamelon-tena ary hanatratra ny « Equilibre opérationnel » alohan'ny taona 2021.

Mpanjono madinika : tsy ampy fitaovana

0
Tsy ampy ny fitaovana ampiasain’ny mpanjono madinika ao Morondava entina mampiroborobo sy mampivadika ho matihanina ny asan’izy ireo. Ho an’ny tananan’Avaradrova, miisa 50 ireo mpanjono madinika miezaka mampiodina izay sehatra izay.

Ambatondrazaka : vita ny asa fanamboarana ny EPP manara-penitra

0
Ankizy malagasy miisa 600 no hisitraka fampianarana ao Ambatondrazaka vokatry ny fahavitan'ny EPP manara-penitra. Isan'ny mampiakatra ny fari-pahaizan'ireo mpianatra ny fahafahana mahazo fanabeazana anaty sekoly aro-fitaovana toy izao, raha ny nambaran'ireo mpampiantra any an-toerana.

Fampiroboroboana ny fizahantany anatiny : hatomboka eto Analamanga Miverina ny famerenana tsikelikely ny fampiroboroboana ny fizahantany.

0
Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanjakana ny fanombohana izany amin’ny alalan’ny fizahantany anatiny eto amin’ny faritra Analamanga . Ny Vohitra masin’Imerina no toerana no safidiana amin’izany.

Isan’ny mpifidy lehibe : miankina amin’ny fiasan’ny « Conseil d’Etat »

0
Miankina amin’ny fomba fiasan’ny filan-kevi-panjakana na ny Conseil d’Etat ny ho isan’ireo mpifidy lehibe araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CENI androany. Hatreto valim-pitsarana 150 amin’ireo fitoriana manodidina ny 500 no nivaly ka hampidirina ho isan’ny mpifidy lehibe handray anjara amin’ny fifidianana loholona.

Mpitsara : mamparefo ny fahefana ananany ny mahaela azy amin’ny toerana iray

0
Mamparefo ny fahefana ananany ary tsy hahafahany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asany ny fijanonan’ny mpitsara maharitra amin’ny toerana iray, hoy ny eo anivon’ny HCDDED. Na izany aza, tsy azo afindra noho ny didy izay navoakany ary tsy azo anontaniana ny antony namoahany iny didy iny anefa ny mpitsara araka ny voalazan’ny lalam-panorenana sy ny fitsipika mifehy azy ireo.   

Ntsay CHRISTIAN : tsy ekena intsony ny fisian’ny tsy fandriampahalemana

0
Tsy ekena intsony ny hisian’ny distrika ho latsa-danja amin’ny fametrahana fandriampahalemana sy amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny hoy ny Praiministra Lehiben’ny governemanta, nandritra ny fitokanana ny toby “Centre spécial d’aguerrissement opérationnel” tany Beroroha, faritra Atsimo Andrefana. Fitokanana, izay nambarany fa mariky ny firosoana amin’ny paikady entina hampandrosoana sy hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana.

VMMM : nivarotra fitaovam-pianarana tamin’ny vidiny mirary teny Masindray

0
Tohin’ny hezaka izany efa natao, teny amin’ny kaominina Masindray, indray androany no nanatanterahan’ny Fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary. Tanjon’ny hetsika ny hanalefahana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fampidirana mpianatra izao, hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny VMMM.