vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 9 novembre 2020

Arbre sacré : toerana manan-tantara ao Nosy Be

0
Toerana isan'ny mahasarika mpizahantany ao Nosy Be ny "arbre sacré". Hazo iray izay misandrahaka amina velaran-tany 5 000m² ary efa 250 taona mahery ankehitriny. Toerana masina voahodidina lamba mena sy fotsy hanomezan-danja ireo fanahy ao anatiny. Araha avy hatrany ny mahakasika izay.

Bealanana : tanora miisa 42 nahavita fiofanana hanamboatra lalana

0
Miisa 42 ireo tanora nahazo fiofanana hamaky vato, hamaky sy hametaka Pavé ao Bealanana. Fiofanana izay nokarakarain’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa sy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana. Afaka miasa avy hatrany ireo tanora ireo ary manana ny traikefa takiana amin’izany.

Ambohiponana – Manandona : toerana mahasarika mpizahatany maro

0
Anisan’ireo toerana mahasarika mpizahatany sy toerana mananan-tantara ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny kaominina Manandona izay ahitana ny  Rovan’i Ambohiponana sy ny riandrano Ambodiriana. Ny mahakasika io toerana io noharahinao anatin’ity fanadihadiana ity.

Rofia sy taretra gasy : mahavelona ankohonana maro

0
Azo hatao tsara ny manome lanja ny rofia sy ny taretra gasy amin'ny alalan'ny fanamboarana tapis na lafika haingon-trano any toamasina. Fianakaviana maro no mivelona amin’izany ary mahavelona tanteraka raha ny fanazavana.

Kabesoron’i Ampanjaka TOERA : haverina eto Madagasikara

0
Isan’ny fanamby napetraky ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Rovan’i Madagasikra sy ny lapan’i Manjakamiadana ny hamerenana eto an-tanindrazana ny kabeson’i Ampanjaka TOERA avy any Menabe. Hemerin-kasina ny any an-toerana ny fiverenan’izany raha ny fanazavana.