mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 novembre 2020

Fizahantany – Nosy Be : tsy ampy ny tosika avy amin’ny fanjakana ho an’ireo mpandraharaha

0
Tsy ampy ny tosika avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny fizahantany ao Nosy Be raha ny nambaran’ny tomponandraikitra avy amin’ny ofisim-paritry ny fizahantany any an-toerana. Ankehitriny, ny 30% ireo trano fandraisam-bahiny misokatra any an-toerana.

Mpilalao ny Barean’I Madagasikara : tsy misy tratry ny Covid-19

0
Manoloana ny resabe tao anaty ny tambazotran-tserasera mikasika ny ahiahy amin’ny mety fisihana mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena voan’ny Covid-19. Nanamafy tanaty ny tambazotran-tserasera androany ny mpanazatra Nicolas Dupuis fa tsy misy mitondra ny tsimok’aretina coronavirus na ireo mpilalao na staff ny barea taorinan’ny fitiliana natao azy ireo ny maraina teo.

Baccalauréat : 50,77% ny taham-pahafahana ho an’ny faritanin’Antananarivo

0
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly hariva teny anivon’ireo sekoly samy hafa ny voka-panadinana Bakalorea ho an’ny faritanin’Antananarivo. 50,77 % ny taham-pahafana amin’izany izay nahitana fiakaran’ny 10,56 % raha ho arinany tamin’ny “première” session ny taona lasa na teo aza ny fisihan’ny valan’aretina covid-19 nandritra izany.