mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 novembre 2020

Antenimierampirenana : mihozongozona ny sezan’ny birao maharitra

0
Mihozongozona ny sezan’ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimierampirenana raha ny fanehoan-kevitry ny Solombavambahoaka androany. Misy ny tsindry hazo lena mahazo ireo Solombavambahoaka raha ny fanazavana. Tsy ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny birao maharitra no anangonan-tsonia ny hampialana azy io araka ny fantatra fa mpikambana vitsivitsy ao anatiny.

Madagascar VS Côte d’Ivoire : an’arivony maro no nijery ny lalao teny amin’ny Lapan’ny tanàna Toamasina

0
Nafana ny fanohanana ny Barea tany Toamasina. Na tsy azo natrehana aza  ny lalao, maro ny vahoaka nijery izany, ohatra teny amin’ny lapan’ny tanàna . Ndeha arahintsika avy hatrany ny zava-nisy tany an-toerana nandritry ny lalao iny.

Antenimierampirenena : nihemotra ny fandinihana ireo antontan-taratasy miisa 4

0
Nihemotra amin'ny fotoana manaraka indray, vao hiroso amin'ny fandraisana fankatoavana eo anoloan’ny fivoriana azon’ny be sy ny maro hatrehina, ny fandinihana ireo antontan-taratasy miisa 4 amin’ireo 12 tonga eo ampelatanan’ireo Solombavambahoaka mandrafitra ny kaomisiona misahana ny fiampangana manoloana ny fitsarana avo na ny Commision de mise en accusation. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao araka izany ny fomba fiasan'iro Solombavambahoaka.

Fan Zone : nilamina ny fanatrehana ny lalao, ambony ny fanantenan’ny Malagasy

0
Nilamina ny fiatrehana ny lalao teny amin’ny FAN ZONE Analalkely androany, ary ambony ihany koa ny fanantenan’ny Malagasy manoloana ny toerana misy ny ekipam-pirenena Malagasy raha nanao ady sahala 1 noho 1 tamin’i Cote d’Ivoire. Araho avy hatrany ny « Ambiance » sy ny fanehoan-kevitry ny mpijery taorian’ny lalao.

Toamasina : maro ny efa asa fampandrosoana efa vita, betsaka ny mbola hotantrahina

0
Nitsidika ny fanatantrahana ny fotodrafitr’asa izay hatsangana ao Toamasina androany ny Filohan’ny repoblika mivady sy ireo mpikambana teo anivon’ny governemanta. Isan’ny Fanombohana ny dingana voalohany amin'ny tetikasa Miami, ny lalana boulevard Ratsimilaho sy ny fanajariana ny lalana miainga avy eo Morafeno mivoaka eo amin'ny Hopitaly Be.

Toamasina : trano ampolony no kilan’ny afo

0
Trano ampolony no kila forehitra tao amin'ny bazary Tanamakoa Toamasina tokony ho tamin'ny 04 ora tolakandro teo, tsena avokoa ny ankabeazany. Niara-nanomboka tamin'ny fiandohan'ny lalaon'ny Barea tamin'ny tolakandro teo ny firehetan'ny afo teo amin'ny Bazary Tanamakoa parcelle 12/14.