Archives quotidiennes: 20 novembre 2020

Ambatondrazaka : niakatra ho 600 Ariary ny vary iray kapoaka

0
Niakatra ho 600 Ariary ny vidin’ny vary iray kapoaka ao Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. Vokatry ny fitombon’ny filàna any amin’ny faritra hafa, nihena ny vokatra amidy any an-toerana hoy ny talem-paritry ny varotra ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, anton’ny

CNFPPSH : tanora miisa 260 nahavita fiofanana arak’asa

0
Androany no nivoaka ny andiany voalohany tamin’ireo tanora nanaraka ny fampiofanana arak’asa teny anivon’ny CNFPPSH Ampandrianomby. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fiarahamientan’ny ivontoerana sy ny minisitera tomponandraikita amin’ny fanofanana tanora manodidina ny 2 hetsy hatramin’ny volana febroary.

Kandida MMM Antananarivo : ny Distrikan’Ambohidratrimo no nanombohana ny fampielezan-kevitra

0
Ny  distrikan’Ambohitratrimo,  tao amin’ny Kaominina Talatanany no nanombohana ny ny fampielezan’kevitra  ho an’ny Kandida laharana faharoa natolotry ny Antoko Malagasy Miara-Miainga androany. Nohamafisin’ny loha lisitra tamin’izany fa tsy ekena ny fandrahonana  ireo mpifidy vaventy sy hanerena ny safidiny amin’izao fifidianana izao.

Fihoaram-pefin’ny Solombavambahoaka : tokony handraisana fepetra

0
Tokony handraisana fepetra hentitra ny fihoarampefy ataon’ny tomponandrikitra na ny olomboafidy iray raha mitranga izany tahaka ny zava-nisy tamin’ity herinandro ity izay nataona Solombavambahoaka iray. Na tsy mbola misy ny lalàna mametra izany, tokony hirosoana ny fandraisana fepetra hentitra.

Fampiasana solika: nihena hatramin’ny 15% ny enim-bolana voalohany ny taona 2020

0
Nihena hatramin’ny 15% ny fampiasana solika isan-karazany teto Madagasikara raha ampitahaina ny tamin’ny taona 2019. nanomboka ny volana Janoary 2020 hatramin’ny volana Jona 2020 raha ny tatitra navoakan’ny Office Malgache des Hydrocarbures. Raha ny vinavina fihenana hatramin’ny 15% izay hatrany izany hatramin’ny faran’ny taona 2020

Sehatry ny Fananan-tany : misy ny fanavaozana sy fampanarahana ny toetr’andro

0
Nanantontosa fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy tamin’ny alalan’ny FNF na ny Fonds national foncier sy ny Liber Technologies androany. Isany anaovana ny tatitry ny fanadihadiana mikasika ny Reforme Foncière na ny fanavaozana amin’ny sehatry ny fananantany teto Madagasikara hatramin’izay izao fiaraha-miasa izao.