Archives quotidiennes: 27 novembre 2020

Cour des Comptes : 14 miliara Ariary nandoavana karamana mpiasam-panjakana matoatoa

0
Volam-panjakana maherin’ny 14 miliara Ariary no very tamin’ity taona ity nandoavana karaman’ireo mpiasam-panjakana matoatoa hoy ny fitsarana momba ny kaonty androany nandritra ny tatitra ho an’ny taona 2020. Ilaina hatsaraina ny logiciel Augure hoy ny filohan’ity fitsarana ity hiadiana amin’izany.

Antananarivo : nampian’ny Kaominina amin’ny fanalana ireo fako mivangongo ny Samva

0
Nandray ny andraikiny, nanampy ny Samva amin’ny  fanesorana ireo fako mivangongo eny anivon’ny Fokontany izay nampitaraina ny mponina tato ho ato izay ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tsy andraikitr’izy ireo mivantana izany hoy ny ben’ny tanàna fa noraisina ny andraikitra mba hampadio ny tanàna.

Fitsinjaram-pahefana : fototry ny fampandrosoan’ny firenena

0
Zava-dehibe ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana ho fampandrosoana ny firenena raha ny nambaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta androany. Natao izany ho fanatanterahina ny vina ny amin’ny fanaparihana ny fahefana manakaiky ny vahoaka. Eo ihany koa ny fandraisana andraikitry ny isam-paritra amin’ny fampandrosoana eny ifotony.  Tontosa androany tetsy Mahamasina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra.

Tetikasa lalankely III : hofanina ireo mpisitraka

0
Hofanina ireo mpisitraka ny tetikasa lalankely III ahazoana fotodrafitrasa maharitra . Ny Institut national de décentralisation et de Developpement Local no handray an-tanana izay fampiofanana izay. Tontosa androany tetsy Anosy ny fanaovan-tsonia piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany ary ny INDDL.

« IVOTORO » : tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Tontosa ny maraina teo tetsy Nanisana, ny lanonana ofisialy nanokafana ny IVOTORO na ny Ivon'ny Torohay. Ivo-toerana hifanakaikezan'ny olom-pirenena amin'ny sampan'asam-panjakana, izay isan’ireo ratsa-mangaika vaovaon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ho fanatanterahana ny velirano fahatelon’ny filoha no nametrahana ity ivon-toerana ity ary hanampy amin’ny ady amin’ny kolikoly.

Ampahan-dalana amin’ny RN2 sy RN3 : tontosa androany ny « réception provisoire »

0
Tontosa androany ny « réception provisoire » ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-2 st faha-3 izay nataon’ny orinasa Colas. Manana andraikitra lehibe amin’ny fikojana sy ny fanaraha-maso ny fanajan’ny mpampiasa lalana ny foto-drafitr’asa ny kaominina lalovan’izany raha ny fanazavana.

Vary : ampy ny tahiry sy ny vina fampidiram-bary ao amin’ny seranan-tsambo Toamasina

0
Ampy hiatrehana ny vanim-potoanan’ny maha sarotra eto Madagasikara ny tahirim-bary sy ny vinavina fampidiram-bary ao amin'ny seranan-tsambon'ny Toamasina. Tsy tokony hisy ny fanararaotana sy ny fanaovana Stock ka hampiakatra ny vidim-bary ato amin’ny tsena anatiny hoy ny tomponandraikitry varotra sy ny indostria.