Archives quotidiennes: 8 décembre 2020

Kolikoly ara-nofo : mahazo vahana eny anivon’ny sampam-pampianarana « Médecine »

0
Mahazo vahana eny anivon’ny anjerimanontolo indrindra ny sampam-pampianarana Médecine ny kolikoly ara-nofo ho takalon’ny famitana ny fianarana. Maro ny fijoroana vavolombelona momba izay araka ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International. Manoloana ny firongatry ny tranga izay manaratsy endrika ny sampam-piofanana ary mampihemotra ny mpianatra handrato fahalalana, tsy hita ny fandraisana fepetra ataon’ny tomponandraikitra eny an-toerana.

Faritra Diana : zaraina CVO + ireo vahoaka noho ny firongatry ny Covid-19

0
Manoloana ny firongatry ny valan’aretina Covid-19 any amin’ny faritra Diana, indrindra eny amin’ny oniversite, nozahana ara-pahasalamana tsirairay ireo mpianatra tao amin’ny Centre universitaire régional tao Antsiranana ary nomena fanafody. Na eo aza ny fihanaky ny aretina any an-toerana, maro ireo mbola tsy manao aro-tava

Fanamboaran-dalana eny 67ha: ny 07 Desambra hatramin’ny 01 Janoary 2021

0
Manomboka androany 7 Desambra hatramin’ny 01 Janoary 2021 no hanantanterahan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fanamboaran-dalana eny 67 ha. Vokatr’izany , lalana maromaro no ho tapaka mandritr’izay fotoana izay. Tanterina aminao ao anatin’ny fanadihadiana ny antsipirihin’izay.

Fampandrosoana : tafatsangana ny tambazotran’ny vehivavy mpitarika eto Madagasikara

0
Tafatsangana androany ny Réseaux des Femmes Leaders Africaines eto Madagasikara. Rafitra izay hamondrona ny vehivavy mpitarika amin’ny sehatra maro eto amintsika. Ankoatran’ny fampandraisan’andraikitra azy ireo, hambiombom-peo ny vehivavy amin’ny hetaheta sy fitakiana ataony no tanjona.

MATP : mitohy ny fanamboaran-dalana

0
Lalana 11km latsaka no hamboarin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ao amin’ny kaominina 3, Ampitatafika, Androhibe ary Alatsinain’Ambazaha any amin’ny Distrikan’Atsimondrano. Androany, nijery ny fizotry ny  asa teny an-toerana ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy sy ny delegasiona niaraka tamny. Tanjon’ny fanamboarana ny  hamahana ny olan’ny mponina.

Fandaniana na tsia ny LFI 2021 : tokony hilaza ny fomba fijeriny mazava ny Loholona

0
Tsy terena ny Antenimierandoholona handinika sy handany ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Manaraka ny antanatohatra mahazatra amin’ny fandaniana volavolan-dalàna ny LFI raha miroso amin’ny tsy fandinihina azy marina ny Loholona, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena androany, manoloana ny fanambaran’ny Antenimierandoholona mahakasika ny tsy fandinihana ny LFI 2021.

Akanjon’ny Princesse Ramisindrazana : hatao lavanty any Londres rahampitso

0
Atao lavanty any Londres rahampitso talata ny ankanjon’I Printsesy Ramisindrazana miaraka amin’ny andihan-tsary sy antota-taratasy voatahiry, raha fanambarana navoakan’ny Trano fanaovana lavanty Kerry Taylor Auctions. Ny printsesy Ramisindrazana izay nenitoan’ny Mpanjaka Ranavalona III ary isan’ireo nalefa sesitany niaraka tamin’ny mpanjakavavy tamin’izany fotoana.

Toamasina : raim-pianakaviana 38 notsenain’ny vadiny tamin’ny rano mangotraka rehefa tara fodiana

0
Raim-pianakaviana iray 38 taona no nodobasan’ny vadiny rano mangotraka rehefa tara fodiana tamin’ny alina. Ny vady mariaziny ihany no nahavita izao fihetsika izao. Nana-pakvitra ny lehilahy fa tsy hanambady ity vadiny ity intsony, ilay ramatoa kosa naiiditra am-ponja vonjimaika ary miandry ny fotoam-pitsarana ny 17