Archives quotidiennes: 13 janvier 2021

Ambatondrazaka : raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny Covid-19

0
Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy ny maraina teo tao Ambatondrazaka vokatry ny Covid 19. Omaly alatsinainy, olona 03 tamin’ireo 04 nanaovana fitiliana mitondra ny tsimok’aretina avokoa. Tsy maintsy notiliana avokoa ary tsy afaka mivoaka ny tranony ireo rehetra nifanerasera tamin’izy ireo hoy ny eo anivon’ny Hopitaly any an-toerana.

Covid-19 : tafiakatra 39.5 % ny tahan’ny fahaverezan’asa ny volana aogositra 2020

0
Tafiakatra 7.7 % ny tahan’ny fahaverezan’asa vokatry ny Covid-19 teto Madagasikara ny volana jona ny taona 2020 araka ny antontan’isa ofisialy navoakan’ny INSTAT androany. Isany tena lasibatra  ny  trano fisakafoana sy fandraisam-bahiny izay miankina tanteraka amin’ny fizahantany ka nahazoana tahana fahaverezan’asa manodidina ny 40 %.

Antenimierandoholona : vita ny tatitry ny «Commission d’enquête sur la liste électorale»

0
Tsy mifanaraka amin’ny safidim-bahoaka ny voka-pifidianana namoahana didim-pitsarana teto amin’ny firenena. Izay ny fehin’ny tatitry ny kaomisiona manokana nitarika ny fanadihadiana momba ny lisi-pifidianana teo anivon’ny Antenimierandoholona. Isany tsy fahatombonana nasongadin’ny kaomisiona anatin’ny tatitra ihany koa ny anarana karapanondro mitovy laharana maherin’ny 1 Tapitrisa nampahafantarin’ny filoha lefitry ny CENI ny volana febroary 2020.

Mpifindra monina : tsy maharaka intsony ny fiara avy any atsimo

0
Tsy maharaka intsony ny fiara avy any atsimo mitondra ireo mpifindra monina hihazo ny tapany avaratry ny Nosy. Mifindra fiara im-betsaka araka izany ireo mponina avy any atsimo ka maro amin’izy ireo no tsy tody amin’ny toerana haleha noho izy ireo lany vola sy lany vatsy. Olona manodidina ny 60 tonga halina avy any Atsimo no mitoby eo amin’ny fasan’ny karana amin’izao fotoana