vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 janvier 2021

Sehatry ny fananan-tany : mitohy ny ady atao amin’ny kolikoly

0
Ho fanohizana ny ady atao amin’ny kolikoly sy hampangaraharahana ny fitantanana eo amin’ny sehatry ny fananan-tany sy fandrefesan-tany, fitaovana maro samihafa no natolotra avy amin’ny alalan’ny FNF na ny Fonds Nationale Foncier ho an’ny eo anivon’ny DGSF tamin’ity androany ity. Fanohizana ny ezaka sy ny fanatsarana ny fomba fiasa izao raha ny nambaran’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy.

Reniranon’Ikopa : miiba 20cm eo amin’ny tetezana Anosizato raha 1,90m izany ny taona 2019

0
Miiba 20 cm (-20cm) androany ny refin'ny reniranon'Ikopa raha 1m90 izy tamin'ny taona lasa eo amin'ny tetezana Anosizato. Vokar'izany, manahy ny ho very asa ireo mpanasa lamba raha tsy mbola hisy ny rotsak'orana raha faly kosa ankilany ny olona sasany amin'izao faharitran'ny rano izao ka manararaotra maka trondro.

Taom-pitsarana 2021 : nosantarina tamin’ny fotoam-pitsarana manetriketrika

0
Fotoam-pitsarana manetriketrika no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pitsarana 2021 ary nanaovana ihany koa ny tatitra ho an’ny taona 2020 teny amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy androany. Raha ny nambaran’ny « Procureur général » eo anivon’ny fitsarana an-tampony, miisa 160 ireo antotan-taratasy mahakasika ny fifidianana Kaominaly ny taona 2019 lasa teo, eo anivon’ny conseil d’Etat.

Tale Jeneralin’ny Air Madagascar : ho fantatra ny volana Aprily izao

0
Nanomboka omaly ny filazana fitadiavana tale jeneraly vaovao eo anivon’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Ny volana Aprily izao no ho fantatra ny anarany .