Archives quotidiennes: 22 janvier 2021

Fandalovan’ny ELOISE : olona 1 namoy ny ainy, miisa 2 804 ireo traboina hatreto

0
Olona 1 no namoy ny ainy ary miisa 2 804 hatreto ireo traboina tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza ELOISE raha ny tatitra voaray avy amin’ny teo anivon’ny BNGRC ny atoandro teo. Amin’ny ankapobeny ny faritra Analanjirofo, Maroatsehitra ary manana avaratra ankehitriny no isan’ny voakasiky ny fiakaran’ny rano sy ny fahasimbana raha ny fanazavana.

Homamiadana mpahazo ny vehivavy: 22% ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza

0
 20 hatramin’ny 25 % ny vehivavy no voamarina fa tratran’ny homamiadana, ka ny  homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza no eo amin’ny laraha faha 2 aorian’ny nono. Manomboka eo amin’ny faha 25 taona hatramin’ny 49  taonan’ny  vehivany no  mety ho voan’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza raha ny fanazavana.

Besakay Ambatondrazaka : zandary iray novonoina Zazamena

0
Zandary iray namita iraka no novonoin’ny Zazamena izay milaza ho mitandro filaminana tany Besakay Ambatondrazaka omaly. Nisambotra olona voarohirohy tamina fandripahan’ala ity zandary ity ka rehefa tratrany izany,  nisy nikapa tampoka tamin’ny antsy ny lohany. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny olontsotra maty voatifitry ny zandary.

Fasan’ny karana : nohamafisina ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana

0
Ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19, nohamafisina ny fampiharana ireo fepetra sakana eny amin’ny Toby fihantsonana Fasan’ny karana. Nozaraina 02 ny ora fiaingan’ny fiara ary tsy maintsy mpamily 02 no ao anaty fiara iray raha mihoatry ny 400 Km ny lalana haleha.

Antenimierandoholona : nankatoavin’ny HCC ny fitsipika anatiny

0
Nankatoavin’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny fanovana sy ny famenoana ny Fitsipika anatiny hifehy ny Antenimierandoholona  ny 19 Janoary 2021. Mifanaraka amin’ny lalam-panorenana izany saingy misy andinin-dalana sasany tsy maintsy hakana ny hevitry ny fahefana mpanatanteraka.