Archives quotidiennes: 26 janvier 2021

Vidim-panafody eto Madagasikara: niakatra 30 hatramin’ny 35%

0
Vokatry ny valan’aretina Covid-19 izay miparitaka maneran-tany, ampian’ny fitotonganan’ny sandam-bola Malagasy no isan’ny mampiakatra ny vidin’ny fanafody ankehitriny raha ny fanadihadiana natao. Vokatr’ireo niaktra 30 hatramin’ny 35% ny vidim-panafody eto amin’ny tsena anatiny.

Filohan’ny Antenimierandoholona : tontosa ny maraina teo ny famindram-pahefana

0
Tontosa ny maraina teo teny amin’ny Lapan’Anosikely ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, Rivo RAKOTOVAO sy ny filoha vaovao RAZAFIMAHEFA Herimanana. Tokony hanara-dalàna hatrany ny Loholona hoy ny filoha teo aloha indrindra ireo mpanao Politika. Nanamafy kosa ny filoha vaovao fa hijery sy hiahy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Nosy Be : lehilahy iray maty nihotsahan’ny tany, iray hafa tapa-tongotra

0
Trangam-piarahamonina avy any amin’ny faritra, lehilahy iray mpaka vato ao Darsalam Nosy Be no namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany ary iray hafa tapa-tongotra. Vokatr’io nakatona vonjimaika ny kariera fitrandrahana hisorohana ny loza miverimberina hoy ny tomponandraikitra.

Covid-19 : miisa 6 ireo namoy ny ainy, 442 ireo tranga vaovao tato anatin’ny erinandro

0
Niampy 6 indray ireo fantatra fa namoy ny ainy teto Madagasikara vokatry ny valan’aretina covid-19 tato anatin’ny erinandro. Tafiakatra 442 ireo tranga vaovaoa raha toa ka 321 ireo sitrana soamatsara nandritra izany raha ny tatitra navoakan’ny CCO omaly hariva.

Fepetra ara-pahasalamana : sarotra ny fanajana ny elanelana 1 metatra eny an-tsena

0
Fepetra ara-pahasalamana tsy voahaja eny anivon’ireo tsena eto andrenivohitra ankehitriny ny mikasika ny elanelana 1 metatra. Anton’izany ny fahamaroan’ireo olona mivezivezy eny amin’ireny toerana ireny. Eo ihany koa ny fahateren’ny toerana natokana ho an’ireo mpivarotra.

Loholon’i Madagasikara : vonona hametraka ny Politikam-pitsitsiana

0
Vonona amin’ny mety ho fiovana hahafahana mametraka ny Politikam-pitsitsiana ny Loholon’i Madagasikara hoy ny Filohan’ity andrimpanjakana ity androany. Ho jerena akaiky ary hatao laharam-pahamehana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary hisy ny tatitra hatao amin’ny governemanta.