vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 janvier 2021

JIRAMA : mampitaraina ny fitarazohan’ny asa raha sendra fahavoazana

0
Faritra maro teny Ankazomanga sy ny manodidina no tapaka herinatra vokatry ny fianjeran’ny andrin-jiro iray teny an-toerana omaly. Tsy mbola niverina ny herinaratra hatramin’ny tapany maraina nanaovana fanadihadiana androany. Ankoatry ny olana efa mampikaikaika ny mponina amin’ny JIRAMA, nampitaraina ny maro ihany koa ny fitarazohan’ny asa fanamboarana raha sendra misy loza toy izao.

DGSR : fiara maherin’ny 900 isa no hita tsy ara-dalàna tao anatin’ny 5 andro

0
Maro amin’ireo fiara mifamoivoy eto Madagasikara no tsy ara-dalàna na ara-teknika izany na ara taratasy araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia. Tao anatin’ny 5 andro nanaovan’ny DGSR fitsirihana, fiara maherin’ny 900 no tsy ara-dalàna.

Besakay Ambatondrazaka : olona 18 no voasambotra

0
Ny fanadihadiana no hamaritra na hofoanana na tsia ny tanana nitrangan'ny famonoana zandary tao Besakay hoy i Jeneraly RAVALOMANANA Richard androany. Olona 18 ihany koa no voasambotra hatreto.

OMC Nasionaly : tsy hekena ny fihoaram-pefy sy ny fambolena korontana

0
Tsy hekena ny fihoaram-pefy sy ny fambolena korontana eto Madagasikara ary ho hentitra ny sazy na iza na iza. Tsy tokony hisy ny fijalian’ny mpanjifa ary tsy maintsy harenina ao anatin’ny fotoana fohy ny olan’ny jiro sy rano. Ho henjana ny sazy ho an’ireo mandoro sy manimba fananam-panjakana sy fananana iombonana raha misy fitakiana atao, indrindra ireo mpianatry ny Oniversite. Ireo amin’ny ankapobeny no nisongadina nandritra ny fivoriana nataon’ny OMC Nasionaly teny Mahazoarivo androany.

ROCADE Nord-Est / Est : 87% ny asa no vita

0
87% ny asa ankehitriny no efa vita mikasika ny  fanamboarana ny lalana Rocade Avaratra atsinana sy Antsinanana, mampifandray ny RN2, RN3,RN4, ary ny RN7. Nifarana androany ny fanatanterahina ny « planche d’essaie » mikasika ny « couche de roulement » izay handrakotra tanteraka ny lalana.  Vinavinaina ho ny volana Aogositra amin’ity taona ity ny asa rehetra.

Reniranon’i Ikopa : niakatra 1,18 metatra ny haavon’ny rano

0
Hitohy hatrany ny rotsak’orana manerana ny faritra maro raha ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Vokatr’izay, nitombo ny vonjy voina izay nataon’ny sampana mpamonjy voina tato anatin’ny 2 andro nisian’ny rotsak’orana. Nahitana fiakarany kely ihany koa ankilany ny rano eny amin’ireo renirano  manodidina an’Antananarivo.