vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 5 mars 2021

Mialy RAJOELINA : nanome ny Atelier HAR’KANTO ho an’ireo vehivavy sembana

0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny atelier HAR’KANTO, fanomezana avy amin’ny vadin'ny filoham-pirenena ho an’ireo vehivavy sembana eto Antananarivo. Tanjona raha ny fanazavana ny hampivondronana ireo vehivavy sembana  sy hanohanana azy ireo amin’ny tontolon’ny asa.

Distrikan’Ampanihy : miisa 10 ireo namoy ny ainy, anjatony ny mitsao mponenana vokatry ny kere

0
Olona miisa folo no fantatra fa namony ny ainy vokatry ny kere tany amin’ny distrikan’Ampanihy tato anaty ny andro maromaro. Anjatony ireo olona mitsao mponena  mihazo ny kaominina ny antoerana an-kehitriny noho ny kere.

« Levée sismique » : ho tanterahana, hamaritana ny rambon-tany ambany ranomasina

0
Ho tanterahana ny « levée sismique », hahafahan’i Madagasikara mitrandraka ny harena ambany ranomasina any  atsimon’ny Nosy. Haroso ny dingana amin’ny fanatanterahana izany,  araka ny nivoaka tamin’ny filanlevitry ny minisitra omaly. 

Solika : mari-toerana hatreto ny vidiny

0
Voatazona tsy hiakatra hatreto ny vidin-tsolika eto Madagasikara na nisy aza ny fiakaran’ny vidin’izany tsikelikely teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy mbola fantatra ankilany raha hijanona amin’io vidiny io izany ato anatin’ny volana ho avy. Tsy voatery hampihatra tanteraka ny vérité de prix kosa i Madagasikara raha ny fanazavana.

Soamandrakizay : handraisana fepetra ireo mikasa hanao hetsika eny an-toerana

0
Nanamafy ny fanambarana nataon’ny vikera jeneraly eo anivon’ny diosezin’Antananarivo omaly mahakasika ny tsy fahafahana manao etsy eny Soamandrakizay ny prefen’Antananarivo androany. Voasokajy ho tsy fanarahan-dalàna ny fandikana izay ary handraisana fepetra avy hatrany. Andrasana ihany koa ny valin’ny fangatahan’ny solombavambahoaka TIM hampiasa ny Magro Tanjombato.