vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 17 mars 2021

Oniversite – Antananarivo : miato ao anatin’ny 48 ora ny hetsiky ny mpianatra

0
Nilamina ny teny Ankatso sy ny manodidina io maraina io. Taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny solontenan’ny mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny sciences sy ny filohan’ny oniversite an’Antananarivo, miato ny hetsika ary ao anatin’ny 48 ora no amahana ny olana rehetra momban’ny fitakiana ny vatsim-pianarana.

Mpianatry Vontovorona : nanohy ny fihetsiketsehana alina

0
Nanohy ny fihetsiketsehana alina ireo mpianatry ny Polytechnique Vontovorona noho ny tsy famalian’ny minisiteran’ny fampianarana ambony ny famoahana ny tetiandro andraisana ny vatsim-pianarana ’izy ireo fa ihany koa ny hamoahana ny naman’izy ireo voasambotra.

Raharaha volamena : nahazo fahafahana vonjimaika izy telo lahy tratra

0
Nahazo fahafahana vonjimaika ireo Malagasy miisa telo lahy tra-tehaka niaraka tamin’ilay volamena milanja 73,5 Kg tatsy Afrika Atsimo araka ny vaovao azo avy any an-toerana, na eo aza ny fanomezana fahafahana vonjimaika azy telo lahy ireo, arahi-maso akaiky ny toerana ipetrahan’izy ireo ary voafetra ny olona afaka mifanerasera aminy.

Marofototra – Vatomandry : olona 10 namoy ny ainy, nihinana Fano misy poizina

0
Olona 10 no namoy ny ainy noho ny fihinanana « Fano » na sokatra an-dranomasina misy poizina tao amin’ny Fokontany Marofotra – Vatomandry. Am-polony ireo naiditra hopitaly ka ny 05 amin’ireo no mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao.