mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 31 mars 2021

Coronavirus : hampitomboana ny toerana handraisana marary amin’ny faritra maro

0
Mihamafy ny valan’aretina ka tokony hitandrina ny tsirairay avy,   araka ny  fanambarana nataon’ireo  mpikambana eo anivon’ny FFKM taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny filoha Andry RAJOELINA teny Ambohitsirohitra ny maraina teo.

Coronavirus : nihaona tamin’ny Filoham-pirenena ny FFKM

0
Manoloana ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus, nifampidinika tamin’ny filoham-pirenena ny maraina teo ireo mpikambana ao amin’ny FFKM. Afaka mandray fepetra mifanandrify aminy ny fiangonana raha ilaina izany, araka ny fanambarana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny FFKM, taorian’ny dinika nifanaovana.

FMI : nankatoavina ny fanomezana 312,4 Tapitrisa dolara an’i Madagasikara

0
Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny FMI ny fanomezana 312,4 Tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny FEC na ny Facilité Elargie de Crédit, mandritry ny 40 volana. Hanohanana ny programam-panjakana mahakasika ny fanavaozana ara ekonomika entina hampihena ny fahantrana sy hahazoana fitombon’ny ari-karena maharitra ity famatsiam-bola ity.

Fanorenana tsy ara-dalàna : nomena iray volana ny tompon’antoka hialany

0
Nomena iray volana ny tompon’antoka tamin’ny fanotofana tany sy fanorenana trano tsy ara-dalàna amin’ny imoron’Ikopa eny Tanjombato. Hirosoana avy hatrany ny fandrodanana aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy eto Analamanga.

Olon-tsotra manampina lalana: vao maika manimba

0
Manafaingana ny fahasimban’ny lalana ireo olon-tsotra manampina lalana saika hita manerana ny nosy hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy. Tokony handrara ireny ny fokontany sy ny kaominina voakasika raha ny fanazavana.

Vokatra Malagasy : kazarany 04 no tsy neken’ny tsena Eropeana nanomboka ny janoary 2021

0
Karazam-bokatra miisa 04, amin’ny taonina maro avy eto Madagasiakara, no naverin’ny Vondrona Eropeana noho izy ahitana tahan’ireo « Pesticide » izay efa tsy eken’ny tsena Eropeana intsony. Isan’izany ireo voamaina toy ny tsaramaso, lojy ary koa ny vanille sy Litchis. Tsy maintsy hanaraka ireo fepetra takiana ireo isika raha tiana ny hampihodina ny toekarena sy hampaharitra ireo lalam-barotra.