Accueil 2021 mars

Archives mensuelles: mars 2021

CSM : miisa 58 ireo kandida nirotsaka ho fidiana ho isan’ny mpikambana amin’ny HCC

0
Miisa 58 ireo kandida nirotsaka ho fidiana hisolo toerana ireo mpitsara eny anivon’ny Fitsarana Avo Momba ny lalam-panorenana voarain’ny Filan-kevitra ambony momba ny fitsarana. Ny zoma ho avy izao no hiroso amin’ny fifidianana ireo mpikambana miisa 21 ka aorian’izay no ho fantatra ireo olona 02 hisolo tena ny mpitsara eny amin’ny HCC.

Covid-19 : CSB II miisa 32 no vonona ho an’Antananarivo sy ny manodidina

0
Efa vonona ireo CSB II amin’ny fanomezana fanafody  maimaim-poana ireo mararin’ny Covid-19. CSB II miisa 32 ho an’Antananarivo sy ny manodidina.

Zotra mampitohy amin’I Mahajanga : miato mandritry ny 15 andro manomboka rahampitso

0
Manana hatramin’ny 12 ora alina ireo izay manam-pikasana hihazo an’i Mahajanga. Raha ho an’ny mpitatitra amin’ny zotra mampitohy an’Antananarivo amin’i Mahajanga, ireo mpitatitra mody any sisa no mandeha raha ny fanadihadiana natao teny amin’ny tobim-piantsonana androany. Raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ATT, tapaka amin’ny ampahany ny zotra sasantsasany amin’ny lalam-pirenena faha 4.

Tranom-panjakana Ambilobe : nanome iray volana hialan’ny mpibodo ny minisitra

0
Misy mibodo ny tranom-panjakana eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy any amin’ny distrikan’Ambilobe. Manoloana izany, nanome fe-potoana iray volana ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy hialan’izy ireo, ary hisy ny fepetra raisina aorian’izay.

Volamena : mihoatry ny 389 Miliara Ariary ny « rapatriement de devises » tsy azo ny taona 2020.

0
Maherin’ny 389 Miliara Ariary ny famerenana ny vola vahiny na ny « rapatriement de devises »  tsy nataon’ireo orinasa mpanondrana volamena ara-dalana ny taona 2020. Tsy nisy hafa-tsy 1,15%  ny famerenana ny vola vahiny amin’ny fanondranana volamena ny taona 2020 hatrany. Misy fiatraikiany amin’ny fitotonganan’ny sandan’ny Ariary ny tsy famerana ireo vola vahiny azo tamin’ny fanondranana ireo ka tokony hiditra ao amin’ny banky foiben’i Madagasikara.

Village voara : mandray ireo « formes graves» nanomboka androany

0
Nanomboka androany ny fandraisana ireo marary manana fahasarotana na ny forme grave mikasika ny  covid-19 ho an’ny etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Ankilan’izay, mitohy ny fanatanterahana ny fitiliana ho an’ireo olona ahitana ny soritr’aretina eny an-toerana.   

Fifanintsanana CAN 2022 : hanatevin-daharana ny Barea i Lalaina Nomenjanahary

0
Ho avy hanatevin-daharana ny Barean’I Madagasikara I Lalaina Nomenjanahary na I Bolida sy ireo mpilalao Malagasy ao Frantsa amin’ny fifanintsanan’I Can 2022 raha ny nambaran’I mpanazatra Nicolas Dupuis. Hanainga androany hiazo an’I Ethiopia ireo delegasioan avy eto an-toerana sy avy any Ivelany ho fihatrehina ny lalao hiaonan’ny Barea sy ny Ethiopie mandritra ny andro faha 5 ny fifanintsanana.

« Ouvrages d’art » RN6: maro ireo misy mangalatra

0
Maro amin'ireo arofanina sy bizo amin'ny lalam-pirenena faha 6 no misy mangalatra amin'izao fotoana izao, manampy ny fahasimban'ny lalana. Hampihena ny teti-bola hatokana hanamboarana ny lalana ny fanarenana azy ireny raha ny fanazavana, ka hanairana ny tomponandraikitra eny ifotony amin’ny fanaraha-maso.

Lalam-pirenena faha-6 : hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana manontolo

0
Havaozina manontolo ny lalam-pirenena faha-6 miainga eo Ambanja hatrany Antsiranana ary efa lasa any amin'ny Banque Européen d’Investissement izay hamatsy ny vola ny lisitr'ireo orinasa afaka anao ny asa. Eo am-piandrasana ny fanadihadiana tanterahan’ny BEI, mandeha ny asa maika ankehitriny, mitohy ihany koa ny fanamboarana ny lalana Rn5A.

Mpanjono madinika – Vatomandry : tsy zarizary avokoa ny lakana ampiasaina

0
Misedra olana ara-pitaovana ny mpanjono andranomasina madinika ao anatin’ny distrikan’i Vatomandry. Efa tsy zarizary avokoa ny lakana ampiasain’ny ankamaroany. Ao ny efa mitapina karazana plastika, ao ny efa natohy tamin’ny fatina lakana hafa. Maro ny loza aterak’izay ka anaovan’izy ireo antso avo amin’ny tomponandraikitra voakasika.