Accueil 2021 avril

Archives mensuelles: avril 2021

Vaksiny fanefitra ny Covid-19 : tokony halamina dieny izao ny fitsinjarana izany

0
Tokony halamina dieny izao ny fandrindra ny fandaminana rehetra amin’ny fanatanterahana ny vaksiny eto amintsika raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpiaro ny zon’olombelona. Tsy tokony hisy ny fanavahana’olona amin’ny fanaovana izany ary tokony hivelatra amin’nhy sehatra tsy miankina ihany koa ny mpitondra fanjakana amin’ny fanafarana io vaksiny io.

Lalàm-panorenana Malagasy : voahitsakitsaka hoy ny teo anivon’ny RMDM

0
Voahitsakitsaka amin’ny endriny maro samihafa amin’izao fotoana izao ny lalàm-panorenantsika eto Madagasikara hoy ny teo anivon’ny RMDM androany. Tsy azo ekena hoy izy ireo ny zava-misy ankehitriny ka tsy maintsy hiroso amin’ny hetsika maro samihafa izy ireo.

Fanafarana ny vaksiny : tokony hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra

0
Hampitarazoka ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy ny vaksiny ny fandraran’ny fanjakana ny fanafarana ataon’ny sehatra samihafa, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Rivo RAKOTOVAO. Tsy tokony ionona fotsiny amin’ny INITIATIVE COVAX ihany koa ny fanjakana fa hanetsika ny lalana rehetra mety ahazoana ny vaksiny anatin’ny mangarahara. Ny hanavotana ain’olona maro no tanjona raha ny fanazavana.

Lalana Ankadilalana – Tsimbazaza : hiroso amin’ny fandrakofana « goudron » ny orinasa

0
Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fandrakofana tara na goudron amin’ny lalana eo Mahamasina, Ankadilalana mankany Tsimbazaza. Ny volana Mai ho avy izao no voalaza ho fahavitan’ny asa tanteraka. Etsy ankilany, niantso ny tomponandraikitra sy ny mponina ary ny mpivarotra ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy hanaja ny fotodrafitrasa ary tsy hanakana ny fizotry ny asa, tahaky ny amin’ny alalan’ny famarotana ambonina trottoir.

Institut de Gemmologie de Madagascar : lasa vesatra ho an’ny Fanjakana ka nofoanana

0
Noho ny fiankinan-doha be loatra amin’ny fanjakana, ary tsy nahitana vokatra araka ny tokony ho izy no nanafoanana ny IGM na ny « Institut de Gemmologie de Madagascar ». Ny taona 2014 hatramin’izao, mihoatry 2 876 Tapitrisa Ariary ny fanampiana nalefan’ny Fanjakana ho an’ny IGM ary tsy misy hafa-tsy 175 ireo mpianatra tao aminy nanomboka ny taona 2004.

Florent RAKOTOARISOA : voafidy ho filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana

0
Voafidy ho filohan’ny vaovaon’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana na ny HCC androany i Florent RAKOTOARISOA. Isam-bato 8 amin’ny 8 no azon’ny nandritra ny fifidianana notanterahina tamin’ny alalan’ny visio conférence ny maraina teo.

Fanafody : tsy mitovy ny vidiny eny amin’ireo farmasia eto an-drenivohitra

0
Orinasa mpanafatra fanafody 1 amin’ny alalan’ny fiaramanidina fa tsy amin’ny sambo no antony mahalafo ny fanafody amin’ny toeram-pivarotam-panafody sasantsasany amin’izao raha ny nambaran’ny filohan’ny holafitry ny farmasiana. Efa misy ny fanarahamaso raha ny fanazavana. Hatreto, ampy ny tahirim-panafody eto amintsika.

CTC-19 Soamandrakizay : mandray ireo mararin’ny Covid-19 nanomboka androany

0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ary manomboka mandray ireo mararin’ny valan’aretina covid-19 ny Centre de Traitement covid-19 etsy Soamandrakizay. Miisa 136 ireo marary ho raisana an-tanana eo anivon’ity CTC ity. Nanamafy ny filoham-pirenena nandritra izany fa hampitomboana ny isan’ireo toerana handray ireo mararin’ny covid-19 eto Andrenivohitra manoloana ny fiakaran’ny isan’ireo tranga vaovao.

Fièvre de la vallée du Rift : miisa 1934 ny tranga voamarina ho an’ny faritra 4

0
Tafiakatra 1934 ny tranga « Fièvre de la vallée du Rift » amin’ny faritra 04 eto Madagasikara ankehitriny ary miisa 624 ny omby maty vokatr’izany. Araka izany, nivoaka ny didim-pitondrana isam-paritra, mandrara ny fivoahan’ireo Biby miraoka ahitra amin’ireo faritra ahitana ny valan’aretina. Hirosoana avy hatrany ny fanaovana Vaksiny ny Biby hifehezana ny fiparitahany.

Taom-pianarana 2020 – 2021 : miankina amin’ny fivoaran’ny valan’aretina ny ho mety fiovany

0
Mihato mandritry ny tapa-bolana manomboka ny 19 aprily izao ny fampianarana eny anivon’ireo sekoly manerana ny nosy raha ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena androany. Miankina amin’ny fivoaran’ny valan’aretina ny fanovana na tsia ny tetiandro ho an’ny taom-pianarana 2020-2021 raha ny fanazavana.