vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 10 avril 2021

CUA : nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany ny « Bus Class »

0
Taorian’ny fifampidinihana sy ny famolavolana ny tetikasa niarahana tamin’ny kaominina Antananario reniohitra sy ireo mpitatitra taxibe, nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany ny « Bus Class ». Taxibe vaovao manaraka ny fenitra takiana amin’izao vanim-potoana misy antsika izao, hoy ny eo anion’ny Kaominina.

Mpikambana vaovaon’ny HCC : tontosa androany ny fianianan’izy ireo

0
Tontosa androany tetsy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ny fianianan’ireo mpikambana vaovao miisa 9 mandrafitra ity andrim-panjakana ity. Handray ny asany avy hatrany izy ireo manomboka androany. Naneho ny fahavononany hanaja ny lalàna sy hitandro ny hasin’ny tsiambaratelon’ny didy izay havoakany ireto mpikambana vaovao ireto.

Tetezana Ampasika : tsy maintsy hesorina ireo mpivarotra

0
Tsy maintsy hesorina ka hitadiavana toerana hafa ireo mpivarotra eo amin’ny tetezana am-pasika hoy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Asa Vaventy. Andraikitry ny Ben’ny tanàna no manome toerana ho azy ireo araka ny fidinana ifotony natao teny an-toerana.

Mpitsabo mpanampy : miisa 15.000 no afaka manatevin-daharana ny mpiasan’ny fahasalamana

0
Efa tara ny fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta mahakasila ny antso avo ataony amin’ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy hanatevin-daharana ireo mpitsabo amin’ny valan’aretina Covid-19 hoy ny filohan’ny sendikan’ny PARAMED androany. Vahaolana maharitra toy ny « recrutement massif » no tokony hapetraka ary tsy tokony ho fifanarahana ara-taratasy fotsiny ihany fa didim-panjakanana mihitsy ny fifanarahana.

Fahasalamam-bahoaka : mitombo ny filana « Oxygène Médical » eto amintsika

0
Misy mitazona any an-trano sy any an-toeran-kafa ny bouteille d’oxygène efa tsy misy intsony ka mampanano sarotra ny fitsinjara raha ny nambaran’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Araka ny fantatra, mitombo araka izay tsy izy ny filàna ny Oxygène Medical eto amintsika amin’izao fotoana vokatry ny fahabetsahan’ny marary mila izany eo amin’ny lafiny fitsaboana.