Archives quotidiennes: 18 mai 2021

Fanaovam-bakisiny : hisitraka izany avokoa ireo faritra 22

0
Ho vita amin’ity herinandro ity ny famatsiana ny andiany voalohany amin’ny vaksiny fanefitry ny covid-19 ho an’ireo faritra 22 manerana ny Nosy raha ny nambaran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka androany. Mifanaraka amin’ny isan’ny mponina isam-paritra ny fitsinjarana ny vaksiny ary ireo mpiasan’ny fahasalmana, ireo mpitandro ny filaminana ary ireo olona marefo ara-pahasalamana sy mihoatry ny 70 taona no hisantatra izany.

Toamasina : nanomboka androany ny fanaovam-baksiny fanefitry ny covid-19

0
Naomboka androany ny andiany voalohany amin’ny fanaovam-baksiny ao Toamasina ao entina miady amin’ny fihanaky ny valan’aretina covid-19. Somary mbola vitsivitsy ireo nanatanteraka izany tamin’ity andro voalohany androany ity raha ny zava-misy tany Toamasina no jerena.

Lisi-pifidianana – 2020-2021 : nisy mpifidy vaovao 405 284 voasoratra anarana

0
Nifarana  tanteraka ny faran’ny herinandro teo ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ho an’ny taona 2020-2021 araky ny fampitam-baovao navoakan’ny  vaomierampirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. Niakatra 1,26% ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana nandritra ity fanavaozana isan-taona ity araka ny tarehimarika avy eo anivon’ny CENI.

Lalàna mifehy ny toaka gasy : mitodika eny Anosikely ny mason’ny mpanara-baovao

0
Hitodika eny anivon’ny lapan’ny Antenimierandoholona avokoa ny mason’ny mpanara-baovao rahampitso amin’ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny toaka gasy eto Madagasikara. Nanamafy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena izay nanolotra ity volavolan-dalàna ity fa tsy misy ahatahorana ny tsy hahalany izany raha toa ka misy amin’ireo teknisiana no mitady hevitra ny hanakanana ity lalàna ity.

Maintirano : ho jerena akaiky ny vidin’ny vato mampitaraina ireo mpitrandraka

0
Tsy maintsy ho jerena akaiky ny vidin’ny Vato amin’ireo kariera ao Maintirano hoy ny eo anivon’ny faritra. Ireto farany izay nanamafy fa tsy marina akory ny filazana fa hakatona ny Kariera izay niteraka korontana sy savorovoro tao an-toerana ny herinandro lasa teo.

SMMC Toamasina : mitaky ny zoany ireo mpibata entana ao amin’ny orinasa

0
Miteraka savorovoro any Toamasina ny fampiatoana amin’ny asany ireo dokera maro tao amin'ny   Société de Manutention des Marchandises Conventionnelles ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Mitaky ny zo feno amin'ny maha mpiasa ara-dalàna azy ireo, ireo natsahatra tamin’ny asany.