Accueil 2021 juin

Archives mensuelles: juin 2021

Governemanta NTSAY Christian : miroso ny ezaka ho fanatanterahana ny Velirano

0
Niompana tamin’ny teboka efatra lehibe toy ny fiatrehana ny covid-19, ny fitantanana ny firenena, ny fandriampahalemana, ny fampandrosoana ara-toekarena ary ny lafiny ara-tsosialy ny tatitra nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta teo anatrehan’ireo Loholon’i Madagasikara tetsy nosikely androany. Efa misy ireo ezaka efa vita ary mbola maro ny asa miandry raha ny nambaran’ny Praiminisitra.

« Logistique pétrolière » : miroso ny fanamboarana ny toerana hamindrana azy eny Bongatsara

0
Miditra amin’ny fanaovana ny terrassement amin’izao fotoana izao ny orinasa Colas misahana ny asa fametrahana ny  logistique pétrolière eny Bongatsara. Aorian’ny fahavitan’ny asa  no hanomboka ny famindrana ny toby fametrahana solika  eo Alarobia ho eny amin’io toerana io. Dingana narahina izany, entina hirosoana amin’ny ho fanamboarana ny lalana miainga eo Marais Masay mihazo ny Gare Maki, fa ihany koa, ho vahaolana manoloana ny fitomboan’ny tinady ny solika eto amintsika.

Fanaovana Vaksiny : tsy tokony ho sakana ny lafiny toekarena sy ara-bola

0
Teboka maro no nisongadina ka niadian’i Madagasikara mafy nandritry ny filankevitry ny minisitra  sy ny Fivoriam-be tsy ara-potoan’ny SADC izay natao tany Maputo, Moambique ka nandraisantsika anjara. Isan’izany ny mahakasika ny COVID-19, ny Vaksiny, ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, ny famatsiana sy ny fampiasam-bola eto amintsika.

Fanatsarana ny lalàm-pirenena : miroso ny ezaka rehetra hoy ny minisitra tomponandraikitra

0
Maro ny ezaka efa nirosoana mahakasika ny fikojakojana ny lalana eto Madagasikara raha ny nambara’ny Minisitra tomponandraikitra nandritra ny fihaonan’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo loholona. Tokony hiady mafy mahakasika ny tetibolam-panjakana ireo loholona ny amin’ny tokony hanarenana ireo lalana maro izay angatahan’izy ireo fanarenana.

Habakabak’i Madagasikara : miankina amin’ny fivoaran’ny Variant Delta ny fisokafany

0
Hiankina betsaka amin’ny fivoaran’ilay variant Delta avy atsy Inde ny hisokafan’i Habakabak’i Madagasikara amin’ireo firenena avy ivelany indrindra fa ireo mpizahatany araka ny nambaran’ny Praiminisitra androany. Tsy maintsy hojerena tsara ny fivoaran’ity variant ity vao mandray ny fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana.

Tsy fampiakarana ny vidin-tsolika : hiteraka trosa amin’ny mpandraharaha ara-tsolika

0
Miantso ny fitondram-panjakana ny Office Malgache des Hydrocarbures ny amin’ny fandraisana fanapaha-kevitra manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izay hisy fiantraikany amin’ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Hiteraka trosa amin’ny mpandraharaha ara-tsolika na passif indray ny tsy fampiakarana ny vidin-tsolika raha ny fanazavana.

Distrikan’i Betafo – Antsirabe I : nisy ny fizarana « Titre » faobe androany

0
Nanantontosa fizarana karatany tany amin’ny distrikan’i  Betafo Sy tao   amin’ny fokontany Ambohimanarivo Antsirabe I androany ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy . Zava-dehibe ny fisitrahan’ny Malagasy izany, ary tafiditra amin’ny politika momba ny « sécurisation foncière ».

Rocade d’Iarivo : tokony hajaina ny lamina napetraka rehetra

0
Ho hentitra ny fampanaran-dalàna, hikajiana ny fotodrafitrasa « Rocaden’ Iarivo » araka ny nambaran’ny talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy eto Analamanga androany. Tsy azo atao arak’izany ny mivarotra amin’ny sisin’iny lalana iny. Misy ihany koa ny lamina apetraka ho an’ny fiara fitateram-bahoaka sy ireo fiara manaja ny hafainganam-pandeha rehefa mampiasa ny Rocade.

25 Jona -26 Jona 2021 : olona 233 no natao fizahana tetsy amin’ny CHUJRA

0
Niakatra ny isan’ireo olona tonga natao fizahana tao amin’ny CHUJRA ny andron’ny 25 sy 26 Jona teo raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa. Niakatra toa izany ihany koa ny isan’ireo olona maty. Raha toa ka 01 izany tamin’ny taon-dasa, tafiakatra 05 izany tamin’ity taona ity. Tranga ara-piarahamonina no mamaritra ny antony betsaka nahatongavan’ireo olona teny amin’ny hopitaly.

« Vaccin Covishield » : hitohy ny fanaovana vaksiny hoy ny Praiminisitra

0
Malagasy miisa 800 000 no ezahina ho vita vakisiny amin’ity taona 2021 ity. Azon’ny rehetra ato ny  mandeha any amin’ny firenena europeanina  na  tsy vita vakisiny, fa misy ny fepetra izay napetraka. Misy ihany koa amin’izao ny fijerena ny fampidirana ny vakisiny  covishield.  Omaly nitondra fanazavana mahakasika ny fanambarana nataon’ny masoivoha  frantsay amin’ny tsy feneken’izy ireo ny vakisiny covishield izay azo tamin’ny  « initiative covax » ny praiminisitra lehibe ny governemanta.