Archives quotidiennes: 24 juin 2021

Kaominina ambanivohitra : miompana amin’ny asa sosialy ny fankalazana ny fetim-pirenena

0
Miompana amin’ny fanatanterahana asa sosialy amin’ny ankapobeny no hataon’ireo Kaominina ambanivohitra hanamarihana ny fetim-pirenena amin’ity taona ity noho ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana. Saika ny ankizy sy ireo zokiolona no hanaovana hetsika amin’izany.

BFM : mifarana ny 30 jona ho avy izao fanakalozana ireo vola taloha

0
Mbola manana herinandro ny rehetra hanakalozana ny vola teo aloha izay nivoaka ny taona 2003 sy 2004, izay tsy nanan-kery nanomboka ny 31 desambra taona 2019.  Ireo masoivoho ny Banky foiben’ny Madagasikara irery ihany no mety hanaovana ny takalo amin’izany.

Antenimierandoholona : nandany ny fanovana natao mahakasika ny PAC

0
Lany nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimierandoholona omaly ny tolo-dalàna manova ny andininy sasantsasany mahakasika ny PAC na ny Pôles Anti-corruption. Hevidehibe maro no nanamarika ny fanavaozana anatin’ny tolo-dalàna. Lany ihany koa ny tolo-dalàna mahakasika ny Autonomie des Universités raha toa ka nolavin’ny Antenimieran-doholona ny mahakasika ny famokarana sy ny famarotana taoka Gasy.

Fankalazana ny 26 Jona : tsy hisy afomanga aloha hatreto araka ny fanazavana

0
Tsy hisy afomanga ny fankalazana ny faha-26 jona amin’ity taona ity araka ny fanazava azo avy amin’ireo kaomity mpikarakara ny fankalazana raha ny fantatra hatreto. Ankoatra ny etsy amin’ny kianjaben’i Barea, hisy fankalazana ny 26 Jona isaky ny renivohi-paritany rehetra.

EMMONAT : hentitra ny fepetra horaisina hitandroana ny filaminana

0
Tsy tokony ho tazana manodidina ny kianjan’ny Barea hanaovana ny Matso ny rehetra tsy manana tapakily amin’izay. Io no nivoitra nandritra ny fanambarana nataon’ny EMONAT androany mahakasika ny fepetra hitandroana ny filaminana mandritra fety.