Archives quotidiennes: 25 juin 2021

Lalam-pirenena : havaozina ny fitantanana hahafahana manatsara ny fikojakojana

0
Misy fanovana napetraka ho fitantanana ny lalam-pirenena manomboka izao ahafahana mampitombo ny vola hatokana amin’ny fikojakojana izany hoy ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanatanterahana ny Auto Route mampifandray an’Antananarivo Toamasina.

Rocade d’Iarivo : tokony samy hanaja sy ho sarotiny ny rehetra

0
Efa manomboka ny fandinihina sy ny fanadihadiana amin’ny fanatanterahana ny lalana miainga eo amin’ny marais Masay mihazo ny gare Makis Andohatapenaka hoy ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Aorian’ny fahavitany, hifandray amin’ny rocade d’Iarivo izany hanalefahana hatrany ny fitohanana eto Antananarivo.

CUA : hanatanteraka fanisana ny trano fonenana

0
Hanaovana fanisana manokana ny trano fonenana eto Antananarivo renivohitra amin’ity taona 2021 ity. Ankoatran’ny fananana antontan’isa mazava momba ny trano fonenana manerana ny boriboritany 6, tanjona ny hanatsarana ny fampidiran-ketra avy amin’izay na ny IFPB. Androany no tontosa teny anivon’ny kaominina ny Atrikasa fanombohana ny fanisana na ny RPB  2021.

Rocade d’Iarivo : notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Rocade d’Iarivo izay hanamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Ny filoham-pirenena sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, ireo mpiaramiombon’antoka ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry no nanatanteraka izany teny Nanisana.

Rocade d’Iarivo : taratry ny fampandrosoana eto Madagasikara

0
Taratry ny ho endrik’i Madagasikara rahampitso ny rocade d’Iarivo hoy ireo masoivoho vahiny, mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana Malagasy tamin’ny fanatanterahana ity foto-drafitr’asa lehibe ity. Hitohy ary hihamafy hatrany ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta.