Archives mensuelles: juin 2021
Tafika Malagasy : hasiana toby isaky ny Distrika
Tontosa ny maraina to ny lanonana ara-mùiaramila famindram-pahefana teo amin’ny chef d'État-Major des armées vaovao sy ny teo aloha izay notronin’ny Praiminisitra sy iroe mpikambana eo anivon’ny Governemanta. Fotoana izao hametrahana toby isaky ny distrika raha ny fanazavana.
CTC-19 : nakatona nanomboka androany ny CTC Mahamasina sy Mandrimena
Nakatona nanomboka androany ny CTC Mahamasina sy Mandrimena Andoharanofotsy. Nafindra eny amin'ny CTC Voara Andohatapenaka na eny amin'ny hopitaly, arakaraka ny hamafin'ny trangan'aretina miseho aminy ireo marary vitsivitsy tsaboina amin'izao fotoana izao.
« Rocade d’Iarivo » : mitohy ny fanonerana atao amin’ireo nanana fananana voakasika
Maherin’ny 14 miliara Ariary amin’izao fotoana izao ny fanonerana efa vitan’ny fanjakana ho an’ireo nanana fananana voakasika tamin’ny fanamboarana ny Rocaden’Iarivo. Mitohy hatrany ny dingana entina hanonerana ireo ambiny tsy mbola voaloa, araky ny namafisin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy androany. Dingana ara-taratasy tsy maintsy arahina no antony tsy mbola maha voaefa izany raha ny fanazavana.
INSTAT : tsy ampy ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana hanatanterahana ireo asa
Voatery miankin-doha amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany ny Institut National de la Statistique vokatry ny tsy fahampian’ny vola haotkan’ny fanjakana hentiny miasa. Ity rafitra ity anfa ankilany, isan’ny iankinan’ireo tetik’asam-pampandrosoana eto amin’ny firenena.
« Or commercial » : tsy miantraika amin’ny sandam-bola Malagasy ny fananana azy
Or commercial fa tsy Or monétaire ilay volamena milanja 1T sy 300Kg voatahiry eo anivon’ny Banky Foiben’i Madsagasikara hatreto. Tsy mipaka amin’ny sandam-bola sy ny toekarena ankapobeny ny tahiry « or commercial » io araky ny nambaran’ny mpahay toekarena. Dingana maro ankilany no afaka atao ahafahana mamadika izany ho Or monétaire izany.
Fiangonana : nandray anjara betsaka tamin’ny ady amin’ny COVID-19
Isan’ny nandray anjara betsaka tamin’ny ady atao amin’ny COVID-19 eto amintsika ny Fiangonana, izay niezaka nitety ireo CTC sy Hopitaly ka nitrotro am-bavaka sy nitondra fanampiana ho an’ireo marary. Zava-dehibe ho an’ny firenena izany ary tokony ho tohizana hatrany ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firenena.
Fandrindram-piterahana : tsy mbola mahasarika ny vehivavy ao Atsimo Andrefana
Tsy mbola mahasarika ny ankamaroan’ny vehivavy any amin’ny Faritra Atsimo-andrefana ny fanaovana fandrindram-piterahana hoy ireo mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Ny eo amin’ny fombafomba misy sy ny fomba fisainana no antony tsy mamparisika azy ireo handrindra ny isan’ny Zaza hateraka. Na izany, efa misy ihany ireo rototra amin’ny fandrindram-piterahana vokatry ny fahasarotan’ny fianana.
Fetin’ny Ray : maro ireo fianakaviana miady irery tsy eo anilan-dray
Amin’izao fankalazana ny fetin’ny ray izao, maro ireo raim-pianakaviana mitsoaka adidy raha ny fanadihadiana natao. Miady irery vokatr’izany ny renim-pianakaviana, mamelona ny ankohonana. Toa an’i Rasoarinoro Myriam.
Moramanga : nisy ny fakan-kevitra natao tamin’ireo mpitrandraka ala
Ho fiarovana ny tontolo iainana sy ho fitantanana maharitra ny ala, nisy ny fakan-kevitra natao tamin’ireo mpitrandraka ao Moramanga. Ny fitantanana sy ny fiarovana ny ala izay tsy maintsy harahi-maso akaiky amin’izao vanin’andro iainantsika izao, noho ny fahapotehana sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna.
FANAMPISOA : mafy ny fiainana fa tsy maintsy miezaka avao
Tontolon’ny raim-pianakaviana izay hatrany, misy ireo mitsoaka adidy fa ao ihany koa ireo milofo mafy sy miady amin’ny fiainana tahaka an’i FANAMPISOA. Tsy mba nankalaza ny fetin’ny Ray izy androany noho ny fahasarotan’ny fiainana fa nanohy hatrany ny asa fivelomany hisakafon’ny vady aman-janany.