mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 24 août 2021

Fonjan’Imerintsiatosika : efa mahafeno ny fepetra rehetra, ary afaka mandray voafonja

0
Fonja vaovao miisa dimy no haorina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao hialana amin'ny fahafenoan'ny fonja, misy amin’izy ireo no efa andalam-panamboarana ary misy ihany koa no efa vita tanteraka amin’izao fotoana izao tahaka ny fonjan’Imerintsiatosika izay efa nandraisana voafonja. Ankoatra io, mpandraharaha ny fonja miisa 500 no horaisina amin’ity taona ity entina hanamafisana ny fiambenana ny voafonja.

Aviation Civile de Madagascar : voavaha ny olan’ireo mpiasa

0
Voavaha ny olan’ireo mpiasa eo anivon’ny ACM na ny Aviation Civile de Madagascar mahakasika ny fahataran’ny fandoavana ky karaman’ireo mpiasa. Tonga nihaona tamin’ieo mpiasa ny minisitra tomponandraikitra androany ary nijery vaha olana maharitra hialana amin’ny olana tahaka izao. Tsy mbola fantatra ihany koa ankilany ny fotoana hisokafan’ny lanitr’i Madagasikara raha ny nambaran’ny minisitra timponandraikitra.

TAXI – HOMI : tsy manaraka ny fenitra ny ankamaron’ireo fiara

0
Maro ireo mpanjifa fiara karetsaka eny amin’ny  Hopitaly Soavinandriana no mitaraina noho ny faharatsian’ny fiara sy ny fahalotoany na ao anatiny na eny  ivelany. Manoloana io niaiky ireo mpamily  nanaovana fanadihadiana fa tsy manaraka ny fenitra ireo fiara ampiasain’izy ireo, zara raha  mandeha mba hitadiavana vola.

NTSAY Christian : misahana vonjimaika ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany

0
Noraisin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta NTSAY Christian ny fitantanana vonjimaika ny minisitera misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika taorian’ny fametraham-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo. Ho atao laharam-pahamehana ny famoahana ny lalàna mifehy ny fitrandrahana na ny "code minier" raha ny nambaran’ny Praiminisitra.

Fenoarivo Atsinanana : alevin’ireo jiolahy any ambanin’ny tany ny entana halatra

0
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ireo andian-jiolahy mpamaky trano tao Fenoarivo Atsinana renivohitry ny faritra Analanjirofo. Tratra teo ampelatanan’ireo jiolahy avokoa ireo entana halatra rehetra ary alevin’izy ireo ambany tany ny entana mandrapahitana ny olona hividy azy.