Archives quotidiennes: 27 août 2021

Sidina fampodiana faharoa : nigadona teny Ivato androany

0
Na teo ary ny fihemoran’ny sidina fampodiana ireo teratany malagasy, ny maraina teo no tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny sidina faharoa fampodiana ireo teratany malagasy taraiky tany ivelany.  Tsy maintsy manao ny fihibohana any amin’ny hotely avokoa ireo olona vao tonga, ary efa nanao ny fitiliana PCR.

Fanaovam-baksiny : toerana miisa 744 no hanatanterahana izany manerana ny Nosy

0
Mitohy ny fanapariahana ny vaksiny hiadiana amin’ny Covid-19 manerana ny Nosy. Hatramin’ny androany, toerana miisa 213  amin’ireo 744 no efa ahitana izany raha ny fanazavana ary hisokatra tsy ho ela amin’ny daholobe ny vaksiny Johnson & Johnson.

Distrikan’i Fandriana : tokony atao laharam-pahamehana ny lalana hoy ny Solombavambahoaka

0
Miantso ny fitondram-panjakana amin’ny tokony hanamboarana ny lalam-pirenena faha-41 ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Sahirana ireo mpitondra marary mamonjy tanan-dehibe, voatery amidy mora ihany koa ny vokatr’ireo tantsaha raha ny fanazavana.

Fisokafan’ny sisintany amin’ny Oktobra : mbola tsy mari-pototra

0
Tsy mbola ahafahana miomana tanteraka ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Repoblika amin’ny mety fisokafan’ny sisintany amin’ny volana Oktobra hoy ny avy eo anivon’ny Confédération du Tourisme à Madagascar. Antony, mety mbola hiova hevitra indray ny fitondram-panjakana. Ho lalim-paka ny fanarenana ny toekaren’I Madagasikara hoy kosa ny mpahay toekarena nanaovana fanadihadiana raha toa ka mbola hiverin-dalana indray ny fitondrana.

Praiminisitra Ntsay Christian : “ tokony avela hiasa ireo minisitra vaovao “

0
Taratry ny demokrasia sy ny fanarahan’ny vahoaka ny raharaham-pirenena ny fanehoan-kevitra maro samihafa amin’ny tambazotran-tserasera momba ireo minisitra vaovao mandrafitra ny Governemanta hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ny tenany izay nanao ny vaksiny johnson&Johnson teny amin’ny CHU Befelatanana androany.