Archives quotidiennes: 30 août 2021

Antananarivo : mbola maro ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra

0
Maro amin’ireo tanora sy raiamandreny tsy mahay mamaky teny sy manoratra no hiaran’ny faty antoka sy ny fanambakana eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny.  Anton’izany ny sakana mianjady amin’izy manoloana ny tsy fisihan’ny fampianarana sy ny fahalalana mikasika ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. 

Fampianarana : zava-dehibe ny fampitomboana ny traikefan’ireo mpampianatra

0
Mbola maro ireo mpampianatra mila fiofanana hahafahana mampitovy lenta ny fampianarana eto Madagasikara, hoy ny IFEM na ny Institut des formations des enseignants Madagascar, izay nanao fikarohana nandritry ny 03 taona. Tokony hisy ihany koa vahaolana maharitra hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana, hoy izy ireo.

PRM : hirosoana ny fandraisan’ireo Malagasy ao Frantsa anjara amin’ny fifidianana

0
Hirosoana hoy ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fandaminana hahafahan'ireo Malagasy monina ao Frantsa, handray anjara amin'ny fifidianana ny taona 2023. Nohamafisiny ihany koa fa voninahitra lehibe ho an'i Madagasikara ny fanasana azy ho vahiny manan-kanja nandritry ny fihaonana lehibe nokarakarain'ny MEDEF.

MMM : notanterahina ny Assise Régionale teto Antsiranana

0
Notanterahana tao Antsiranana ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy Miara Miainga  na ny MMM. Isan’ny lahadinika tamin’izany ny fitsipika anaty mifehy ny Antoko, eo ihany koa ny fametrahana ny birao vaovao hitondra ny faritra Diana. Tonga nanatrika izany ireo ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina.

Andilana Avaratra : mitohy ny fitrandrahana Béryl an-tsokosoko

0
Mitohy hatrany ny fitrandrahana vatosoa an-tsokosoko ao Andilana Avaratra amin’izao fotoana izao. Manoloana io, miantso ny fitondram-panjakana hijery akaiky ity raharaha ity sy handray fanapahan-kevitra ireo mpitrandraka.