Accueil 2021 août

Archives mensuelles: août 2021

Fonjan’Imerintsiatosika : efa mahafeno ny fepetra rehetra, ary afaka mandray voafonja

0
Fonja vaovao miisa dimy no haorina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao hialana amin'ny fahafenoan'ny fonja, misy amin’izy ireo no efa andalam-panamboarana ary misy ihany koa no efa vita tanteraka amin’izao fotoana izao tahaka ny fonjan’Imerintsiatosika izay efa nandraisana voafonja. Ankoatra io, mpandraharaha ny fonja miisa 500 no horaisina amin’ity taona ity entina hanamafisana ny fiambenana ny voafonja.

Aviation Civile de Madagascar : voavaha ny olan’ireo mpiasa

0
Voavaha ny olan’ireo mpiasa eo anivon’ny ACM na ny Aviation Civile de Madagascar mahakasika ny fahataran’ny fandoavana ky karaman’ireo mpiasa. Tonga nihaona tamin’ieo mpiasa ny minisitra tomponandraikitra androany ary nijery vaha olana maharitra hialana amin’ny olana tahaka izao. Tsy mbola fantatra ihany koa ankilany ny fotoana hisokafan’ny lanitr’i Madagasikara raha ny nambaran’ny minisitra timponandraikitra.

TAXI – HOMI : tsy manaraka ny fenitra ny ankamaron’ireo fiara

0
Maro ireo mpanjifa fiara karetsaka eny amin’ny  Hopitaly Soavinandriana no mitaraina noho ny faharatsian’ny fiara sy ny fahalotoany na ao anatiny na eny  ivelany. Manoloana io niaiky ireo mpamily  nanaovana fanadihadiana fa tsy manaraka ny fenitra ireo fiara ampiasain’izy ireo, zara raha  mandeha mba hitadiavana vola.

NTSAY Christian : misahana vonjimaika ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany

0
Noraisin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta NTSAY Christian ny fitantanana vonjimaika ny minisitera misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika taorian’ny fametraham-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo. Ho atao laharam-pahamehana ny famoahana ny lalàna mifehy ny fitrandrahana na ny "code minier" raha ny nambaran’ny Praiminisitra.

Fenoarivo Atsinanana : alevin’ireo jiolahy any ambanin’ny tany ny entana halatra

0
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ireo andian-jiolahy mpamaky trano tao Fenoarivo Atsinana renivohitry ny faritra Analanjirofo. Tratra teo ampelatanan’ireo jiolahy avokoa ireo entana halatra rehetra ary alevin’izy ireo ambany tany ny entana mandrapahitana ny olona hividy azy.

Rocade d’Iarivo : nanao hetsika fanadiovana ny Kaominina Ambohimangakely sy DASP

0
Nanao hetsika fanadiovana ny Rocade d’Iarivo ny avy eo anivon’y Kaominina Ambohimangakely sy ny DASP. Noho ny fisian’ny loto sy fangalarana ireo vy mipetaka eny amin’ny sisin’arabe no antony nanaovan’izy ireo fanentanana sy fanadiovana niarahana tamin’ireo mponina voakasika mipetraka manodidina ny lalana.

TAXIS : tsy manaiky ny fisian’ ny taxis motos

0
Tsy tokony hatao fitaterana eto andrenivovitra ny moto, maro ihany koa ny fatiantoka aterak’izany amin’ireo taxi ville. Omaly nanao fanambarana ny CSST « Comité Stratégique du Secteur Taxi » eto Antananarivo Renivohitra izay solotenan’ny taxi ville rehetra fa tsy manaiky ny fisian’ireo taxi moto tsy ara-dalàna.

Fanamboaran-dalana: takiana ny fikajiana ny kalitao nifanarahana

0
Fanamboaran-dalana miisa 54 no vita sy an-dalam-pahavitana na ihany koa an-dalam-pahazoana famatsiam-bola tao anatin’ny 2 taona sy tapany teo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy. Hitohy ny asa rehetra raha ny nambaran’ny minisitra vaovao. Hitohy ihany koa ny fangaraharahana sy ny fanatsarana ny kalitao takiana amin’izay fanamboaran-dalana izay . Hisy arak’izany ny fanohizana ny fijerena ireo lalana vitan’ireo mpanao lalana mbola manana vola amin’ny fitondram-panjakana. Aorian’izay vao hivoaka ny volan’izy ireo raha mifanaraka amin’ny fifanarahana natao. 

Fitrandrahana terres rares – Ambanja : tsy fantatra mazava izay fanapahan-kevitry ny fanjakana

0
Mitaky ny andraisan’ny fitondram-panjakana fanapahan-kevitra hentitra momba ny fitrandrahana terres rares kasain’ny orinasa RREM atao any amin’ny distrikan’Ambanja ny fiarahamonim-pirenena. Hatreto, tsy ahenom-peo ny fanjakana raha efa manambana ny anao ny fitrandrahana andrana ny orinasa.

Antananarivo renivohitra : 30 000 ny trano fonenana vita fanisana hatreto

0
Mbola 1/5 ny trano fonenana tombanana miorina anatin’ireo boriboritany 5 eto an-drenivohitra no voaisa amin’ny alalan’ny tetikasa Fanisana Trano 2021 hatreto. Na izany na tsy izany, manomboka hita soritra tsikelikely ny fiovan’ny endriky ny tokantrano malagasy sy ny toetoetry ny tao-trano amin’ny ankapobeny. Manentana ny rehetra handray ireo mpanisa araka ny tokony ho izy ny kaominina ahazoana antontan-kevitra sy terehimarika mari-pototra.