vendredi 29 mars 2024
Accueil 2021 septembre

Archives mensuelles: septembre 2021

Saran-dalana téléphérique : tokony hitady vahaolana ny fitondram-panjakana

0
Tokony hitady vahaolana ny fitondram-panjakana ahafahan’ny sarababem-bahoaka mampiasa ny téléhérique hoy ny Solombavambahoaka androany. Niha-nahantra ny Malagasy vokatry ny Covid-19 ka tokony hisy fitsinjovana isaky ny sokajin’olona hoy ny mpahay toekarena fa tsy ho takatra ny 3 000 Ariary.

Nandritry ny hamehana ara-pahasalamana : nitombo ny fanjifana ny vita Malagasy

0
Nitombo ny fanjifana ny vokatra vita malagasy nandritra ny fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana araka ny nambaran’ny teo anivon’ny SIM, tokony hofehezina ankilkany ny vidin’ireo akora fototra. Ankoatra izay, tontosa androany ny fifidianana ny filankevim-pitantanan’ny SIM.

Andry RAJOELINA : tsy tapitra tanteraka ny fanjanahantany raha tsy miverina ireo Nosy Malagasy

0
Tsy tapitra tanteraka ny endrika fanjahantany raha tsy miverina tanteraka amin’i Madagasikara ireo Nosy Malagasy, hoy ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, nandritry ny fandraisany anjara fitenenana teo anivon’ny adihevitra ankapoben’ny Fivoriambe ara-potoana andiany faha-76 n’ny Firenena Mikambana tao amin’ny Foiben’ny Firenena Mikambana ao New- York.

DGSF sy ny tetikasa CASEF : tontosa androany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa

0
Tontosa androany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasan’ny DGSF na ny Direction générale des Services Fonciers sy ny tetikasa CASEF. Isan’ny fiaraha-miasa lehibe indrindra ho an’ny fanatsarana ny sehatry ny fananantany izao natao izao, izay mitentina manodidina ny 13 miliara Ariary. Androany ihany koa no notolorana tamin’ny alalan’ny tetikasa ny fiara tsy mataho-dalana miisa 3 ho an’ ny DGSF.

FOULPOINTE : tovolahy 16 taona namono nahafaty vehivavy 42 taona

0
Nitrangana vono olona indray tao Foulpointe Ambalahasina Commune Rurale Ampasimbe Onibe, distrikan'ny Toamasina faha-II, Ramatoa iray 42 taona izay mpifanila-bodirindrina no niharan'ny habibiana nataon'io zazalahy sahabo 16 taona   ary niafara tamin’ny fahaftesana.

Menaka : 7 500Ar ny vidin’ny 1 litatry ny menaka madio amin’ny antsinjarany

0
6 000Ar ny mora indrindra amin’ny litatry ny menaka ary maherin’ny 10 000Ar ny lafo indrindra raha hita eny amin’ny tsena eto Antananarivo Renivohitra. Na ny eny amin’ny tsena madinika na ny eny amin’ny supermarché, saika tsy mahatratra ilay vidiny tokony ho izy navoakan’ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria avokoa hatreto ny vidiny misy.

Filohan’ny ligy 15 : mangataka fivoriam-be eo anivon’ny FMF

0
Hampiakatra ny raharaha any amin’ny FIFA ireo filohan’ny  ligy nanao sonia fangatahana hisiana fivoriam-be eo anivon’ny FMF , raha toa ka tsy mivaly ao anatin’ny 7 andro  izany. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo nanaomboka ny taona 2019 hatramin’izao no tsy mbola nisy fivoriam-be teo anivon'ny FMF.

Fitoriana tomponandraikitra ambony : eny anivon’ny fitsarana avo ny 1/3 ny antontan-taratasy

0
Efa nalefan’ny kaomisiona misahana ny fiampangana eny anivon’ny fitsarana avo na ny Haute Cour de Justice ny 1/3 ny antontan-taratasy fitoriana tomponandraiki-panjakana ambony nanaovany fanadihadiana lalina. Ampahany betsaka ihany ko no nofoanana noho ny tsy fahampian’ny porofo, hoy ny mpikamban’io kaomisiona manokana io.

Fiainam-pirenena: fihetsika maro no maneho fanilihana ireo mpiaradia amin’ny mpitondra

0
Efa manomboka hita taratra ankehitriny ny fihazakazaky ny raharaha politika eto Madagasikara amin’ny fanomanana sahady ny fifidianana ho an’ny taona 2023. Nanamafy ireo mpandinika politika nanaovana fanadihadiana fa efa miroso amin’ny fanilihana ireo izay nametraka azy ny fitondram-panjakana ankehitriny izay hisy akony goavana ho azy aoriana kely ao.

Barea de Madagascar : mpilalao iray tratry ny Covid-19

0
Mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy iray no voamarina fa mitondra ny valan’aretina Covid-19 araka ny valin’ny fitiliana TDR natao tany DAR ES SALAM. Tsy mbola fantatra mazava ny mpilalao hatreto saingy efa noraisina ny fepetra mifandraika amin’ny fahasalamany sy ny fifehezana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina raha ny fanambarana navoakan’ny Federasiona Malagasy ny Taranja Baolina Kitra androany.