Accueil 2021 septembre

Archives mensuelles: septembre 2021

Faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana : kaominina miisa 4 hisitraka ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana

0
Kaominina miisa 4 ao anaty ny faritra Alaotra Mangoro sy ny faritra Atsinanana mandritra  ny herinandro no hisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana amin’ny alalan’ny « Caravane médicale ». Hetsika ara-tsosialy natao hanampiana ireo mponina lavitry ny tobim-pahasalamana sy ny fanarenana ny sehatry ny fahasalamana manoloana ny fisihan’ny valan’aretina.

Kaominina Alasora : tsy ampy ny fiara fitateram-bahoaka

0
Mampitaraina ny mponina ny tsy fahampian’ny fiara fitateram-bahoaka indrindra ny ZOTRA SUBURBAINE eny Alasora. Tsy ampy 50 ny fiara mampitohy ireo fokontany maro ahitana mponina an’aliny tafiditra anatin’ny tapany ambonin’ny kaominina. Antso avo arak’izany no nataon’ny ben’ny tanàna ny tomponandraikitra voakasika ho fanatsarana ny fitateram-bahoaka.

Pesta areti-tratra : olona mihoatry ny 05 no namoy ny ainy

0
Olona 07 no namoy ny ainy vokatry ny pesta any amin’ny Distrikan’Arivonimamo. Olona mihoatry ny 20 kosa no mbola manaraka fitsaboana. Ny fisian’ny famadihana sy ny fahatarana amin’ny fanantonana mpitsabo no isany antony nolazain’ny avy eo anivony minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa antony mampiverina ny pesta amin’izao fotoana izao.