Archives quotidiennes: 20 octobre 2021

Ambohidratrimo : nahitana firehetana ny Avaratra atsinanan’ny Rova

0
Nahitana firehetana ny teny amin’ny rovan’Ambohidratrimo niainga avy eny avaratra atsinana ny afo, tsy fantatra mazava ny niandohany ny firehetana, noho ny fiaraha-mientana ny fokonolona teny an-toerana niezahn’izy ireo nofehezina ny afo izay niarahana tamin’ireo tsara sitra-po.

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : tsy maintsy hampifandraisina amin’ny teti-pivoarana misy

0
Hohatsaraina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny firenena Alemana, ary hatao izay hampifandraisana ireo tetikasa maro amin’ny teti-pivoarana ampiasan’ny mpitondra fanjakana, io no nisongadina nandritry ny fitsidihana ara-pomba fifanajàna nataon’ny Chargé d’affaires Alemagne teny Mahazoarivo. Ankoatra izay, tonga nanao veloma ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ny Solontena maharitry ny OMS Madagascar, Charlotte Faty Ndiaye niasa teto amintsika nandritry ny 6 taona.

Fitokonan’ny mpandraharaha : efa eo am-pikarakarana ny famahana ny olana ny fanjakana

0
Efa eo ampamahana ny olana ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao mahakasika ny fitakian’ireo mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite araka ny fanazavana azo tamin’ity androany ity. Ny fisian’ny kajy tsy mirindra no mahatonga ny fahataran’ny fandoavan-karama ho an’ny mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite an’Antananarivo raha ny nambaran’ny Minisitra tomponandraikitra.

Fokontany Avaratra Ankatso: natomboka androany ny fizarana ireo boky tany miisa 583

0
Natomboka androany ny fizarana boky tany miisa maherin’ny 580 ho an’ny fokontany Avaratra Ankatso anatin’ny boriboritany faha-2 ato anatin’ny faritra Analamanga. Miisa 200 no nisitraka izany androany.  Tanim-panjakana, tafiditra amin’ny ampahan-tanin’i Fort Dushene domaine, no nangatahin’ireo mpisitraka, ary nanaovana ny dingana rehetra amin’ny fangatahana faobe hifanarahana toa izao, ka namoahana ireo titre ireo. Nanamafy ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananantany  fa isany manafaingana ny asan’ny fanjakana ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka sy ny tsy fisian’ny olana amin’ny tany voakasika.

Ankatso : niaraka nitokona ny mpianatra sy ny mpandraharaha

0
Mihamafy ny fitokonana nataon’ny mpandraharaha eny amin’ny oniversité an’Antananarivo, nampian’ireo mpiantra androany. Fitakiana 2 sosona no nitranga teny an-toerana, ny mpandraharana mitaky ny karaman’izy ireo izay mbola tsy voaloa, ireo mpianatra kosa ankilany mitaky ny hamahana ny olan’ireo mpandraharaha hahafahan’izy ireo manomboka ny taom-pianarana 2021-2022.  

« Propriété foncière privée non titrée »: nankatoavin’ny HCC androany

0
Afaka mangataka ny tany amin’ny fanjakana avokoa ireo nanamainty molaly ny tany 15 taona no mihoatra mialohan’ny datin’ny androany. Nankatoavin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana io hariva io ny laharana mikasika ny propriété foncière privée non titré.