mercredi 24 avril 2024
Accueil 2021 novembre

Archives mensuelles: novembre 2021

COMESA andiany faha 21 : notontosaina androany tany Egypte

0
Manana ny anjara toerany lehibe amin’ny fampivoarana ara-ekonomikan’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny COMESA ny tontolon’ny nomerika. Fampivoarana izay nosembanin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 hoy ny filoha Andry Rajoelina. Ilaina ny fanohizana ny fampiroboroboana ny sehatry ny nomerika mba hitondra vokatsoa ho an’ny toekarena amin’ny alalan’ny famatsiam-bola vaovao. Notontosaina androany tany Egypte ny fivoriana an-tampony faha 21 an’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana mikambana ao anatin’ny vondrona COMESA.

Zones et Entreprises Franches – LFI 2022 : asa maro no mety ho very amin’ny taona ho avy

0
Hampikorontana ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara ny fikitihana ireo lalàna sy fifanarahana momba ny Zone et Entreprise Franche hoy ireo mpandraharaha ary mety hiteraka fahaverezan’asa maro. Tokony hisy ny fifampidinihina mialohan’ny fandraisana fanapahan-kevitr hisorohana ny fitotonganana hoy ny mpahay toekarena.