Archives quotidiennes: 8 décembre 2021

Famatsian-drano : hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

0
Tsy maintsy hitondrana fanavaozana ny fotodrafitrasa famatsian-drano eto Madagasikara indrindra manoloana ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mitaky fampiasana sy famatsiam-bola goavana ankilany izay ka antony namondronan’ny minisitera mpiahy ny mpisehatra sy ny mpiara-miombon’antoka nandritra ny fanaovana jery todiky ny asa vita indrindra ho an’ny taona 2021.

Championnat de Madagascar de golf 2021: hotanterahina ny 16 hatramin’ny faha 19 Desambra izao

0
Hisokatra ny 16 Desambra ary hifarana ny 19 Desambra izao ny fanatanterahana ny fifaninana hiadiana ny ho an’ny tompondakan’i Madagasikara 2021 ho an’ny taranja Golf. Ankoatra ny fifaninana, vina ny fampandraisana anjara ity taranja ity ho isan’ny tosika entina hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany raha ny nambaran’ny mpikarakara.

Mpianatra – Cité Ankatso I : nidina an-dalambe vokatry ny fahatapahan-drano misesisesy

0
Nidina an-dalam-be ireo mpianatra eny amin’ny cité Ankatso I alina ary nitohy tamin’ity androany ity vokatry ny fahatapahan-drano. Tsy hijanona ny hetsika raha tsy misy vahaolana maharitra momba ny famatsiana rano hoy ireo mpianatra.

Tetibolam-panjakana 2022 : lany nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona

0
Lany nasiam-panitsiana teo anivon'ny Antenimierandoholona tetsy Anosikely ny tolakandro teo ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-pnjakana ho an'ny taona 2022. Nisy ny teboka maromaro nasian'ireo Loholona fanitsiana mahakasika ity tetibola ity ho tombontsoan'ny vahoaka. Zava-dehibe amin'ny fanatanterahana ny poliikan'ny fanjakana izao tetibola izao hoy ireo loholon’i Madagasikara.

Piaa 2 : ho tanterahina ny taona 2022 ka hatramin’ny 2027

0
 Hiditra amin'ny andiany faharoa ny tetikasa piaa na ny programme d'assainissement d'Antananarivo. Hisorahana ny fisian'ny tondradrano eto Antananarivo no votoatinnny lamin'asa. Tanjona ny hanatsarana ny fiaina'ny mponina andvan'andro

Raharaha apollo 21: nitohy androany ny fitsarana ireo 20 mianadahy voarohirohy

0
Nitohy androany teny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy ny fakana ambava ireo 20 mianadahy voarohirohy amin'ny raharaha fikasana hamono ny filoham-pirenena na ny apollo 21. Androany no niroso taminy fanadiadiana lanina ireo voarohirohy ny mpitsara ny eo aminy fitsarana heloka bé Vava tsotra  ka i RAFANOHARANA Paul no nanomboka izany. Tsy ampy ny porofo netin’ny mpitory ireo voapanga ary tsy manaraka ny lalany ny nisamborana ireo olona voarohirohy ireo hoy ny mpisolo vava.

Vaksiny Johnson&Johnson : daozy 336 000 fanampiny nomen’i Etazonia ho an’i Madagasikara

0
Fanampina vaksiny Johnson&Johnson miisa 336 000 androany no natolotry ny firenena Amerikanina ho an’ny Madagasikara tafiditra ao anaty ny ady atao amin’ny valan’aretina covid-19. Tanjona ny , hanalefahana ny fiantraikan’ny valan’aretina eo amin’ny lafin’ny ara-tsosialy sy ara-toekarena, eo koa ny fanamafisana ny fanetanana amin’ny fanaovam-baksiny ho an’ny mponina.